You are here: home > Tononkira

Tondrom-peo Tsy hanan-java mahory aho

Lohateny : Tsy hanan-java mahory aho
Nampiditra tondrompeo : audevillette
Daty : 27/11/2016


1- (Mitazana ahy foana isan'andro,


ireo fahavalo mba ho potika


Dia zarany aza misy olana ny fiainako ihomehezana


sy handatsa ahy avy eo


Fifaliana ho azy fitahiana ho azy


raha izaho no potraka


Nefa tsy fantany fa tsy hanan-java mahory aho) x2





    Ref: (Tsy fantany nga?


           F'efa misy anjely manodidina ahy


           Andriamanitry ny lanitra avo indrindra e!


           No misahirana manara-maso ahy


           Tsy fantany nga?


           Fa Jehovah mihintsy no miandry ahy


           Ka na inona zava-mitranga


          Tsy hanan-java mahory aho) x2





2- Mitazana ahy foana isan'andro,


ireo fahavalo mba ho potika


Mifaly amin'ny fahavoazako izy


Raha sendra aretina sy olana kely aho


Fiadanana ho azy fahasambarana ho azy


Raha izaho no potraka


Nefa tsy fantany fa tsy hanan-java mahory aho





    Ref: …





(Ka na inona zava-mitranga


Tsy hanan-java mahory aho) x2


N’inona n’inona hitranga e


(Tsy hanan-java mahory aho) x3


Tondrom-peo hafa

Hampiditra tondrom-peo hafa