You are here: home > Tononkira

Tondrom-peo TELO IZAY IRAY

Lohateny : TELO IZAY IRAY
Nampiditra tondrompeo : Rasamy1
Daty : 11/11/2016


FANEVAN'NY CHORAL FEFA_ANDAMOTY
A/C: JEANCRIS

I-Misaotra Anao zahay Jehovah Andriamanitray
Fa nomenao Zanakao hamonjy anay
Misaotra Anao zahay fa tsy nafoinao
Ho very tao an_davaka izahay izao


II-Misaotra Anao zahay Jesosy Tomponay
Fa natolotrao ny Ainao hamonjy anay
Misaotra Anao zahay fa tsy navelanao
Fa nidiovinao tamin_dRĂ nao zahay


III-Misaotra Anao zahay Fanahy Masina
Fa nanorina finoana anatinay
Hino fa Jesosy no Mpanavotra
Sy Mpanafaka ny olombelona


Fiv:
Feo fisaorana no asandratray
[An'Andriamanitra]2V
Feo fisaorana no ventesinay
[An'I Kristy]2V
Feo fisaorana no atolotray
[Fanahy Masina]2V
Ho an'Andriamanitra Telo Izay Iray
[Ao an_danitra]2V