Mitia mangina

Lohateny Mitia mangina
Nampiditra tsikaraka123
Tamin'ny 07/04/2016 10:55
Vangy : 176
Re
Tsy fantatrao fa teny foana anie aho


Nitily sy nitsena ny alokao


Ka manara-maso lava izao





Dia iny ianao voninkazo iray


Izay kanto loatra sarobidy ho ahy


Te-hioty aho anefa fa tsy sahy





Hiloa-bava aho ho vahotra


Hiresaka aminao hatahotra 


Te-hikiry anefa sarotra





Manahy aho mantsy sao ho lavinao


Tsy zakako raha izay no hitranga izao


Harary mafy ny ao anatiko ao





Aleo hitia mangina anao ny foko


Ataoko ampy ahy fa tsy toloko


Raha ny fitiavako anao tsy heloko


Aleo hijanona ho tsiambaratelo
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085