Mahafatifaty

Lohateny Mahafatifaty
Nampiditra ramaan
Tamin'ny 07/01/2005 15:26
Vangy : 433



1 -

Efa ela aho no nivoady

fa hijanona tsy hanambady

'Zaho tsy ho voarebireby

hitebiteby ;



Koa ataoko sanatria

izay ho tia ka tena tia

ary hanao ny hadalana

dia ho voatana,



Kanjo asa foana teo,

niseranan-dry zareo,

niova hevitra avy hatrany

babony aho no niafarany,

tsy nahateny

fa nalemy !



Ny masony, toa mangarika

'nefa koa malefadefaka fijery

MAHAFATIFATY

ka manintona sy misarika

toa ny misy herimbaratra mahery

MAHAFATIFATY

Tena kanto izany volony

Miondraondra, misarako ao an-damosiny

MAHAFATIFATY

Raha mitsiky izany molony

toa voankazo mena fify ka aoka fotsiny

MAHAFATIFATY.



2 -

Ireo sakaizako fahiny

avy dia manome tsiny,

lazainy aho fa tsy matotra

ka dia voafatotra.



Ry zareo manao izay tiany

tsisy ora ny fodiany

izay tiany aleha rehetra

dia tsy voafetra !



Ity anefa no mba lalina

rehefa mody izy amin'ny alina

efa nanao kibo an-tsena,

tonga tsy misy mpitsena

fa manirery toa ny very



Ny ahy kosa, vao amin'ny enina,

indro tazako izy ery am-bavahady

MAHAFATIFATY

dia tsaroako, tsisy nenina

mahafinaritra ery ny manambady

MAHAFATIFATY

Indro izy misomebika

an-dakozia mikarakara ny sakafo

MAHAFATIFATY

Amizay aho dia rebika

tsy maharitra fa dia manafosafo

MAHAFATIFATY



Nefa kosa, na izany aza,

ny lafiratsiny mba misy kely ihany

TSY MAHAFATIFATY

Rehefa izy no mivazavaza,

menomenona tsy misy fiafarany

mila tsy ho tanty

rehefa misy adi-hevitra

mirintondrintona amin-java-tsisy fotony

tena mahasoso-(tra ahy)

nefa izaho tsy mety tezitra

vao mahita izato fiangotingotiny

MAHAFATIFATY !!



Henri Ratsimbazafy

1987



© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082