Tondrom-peo Raha mba manana elatra

Lohateny : Raha mba manana elatra
Nampiditra tondrompeo : mialy17
Daty : 25/05/2006

Intro: C-D-G-C (*2)

   F          
Vetivety foana aho dia tonga aty
   A/F
Vetivety foana aho dia tonga aty
   D         A
Hamangy ny tanana
   F
Vetivety foana aho dia tonga aty
   A/F
Vetivety foana aho dia tonga aty
    D          A
Fa ianao tsy tamana


    C                 D
Avy any antsinanana aho dia
    G                 D
Nahita ilay masoandro aho dia
    G             D
Niaraka taminy aho dia
    G           A
Tonga soa aty indray
    C                  D
Avy any antsinanana aho dia
    G                D
Nitondra hazavana ho dia
    G                D
Nitondra hafanana aho dia
    G            A
Nomeko anao indray fa


            C            D      G                C
Raha mbola misy dia hitondrako be dia be
            C            D      G                C
Raha mbola misy dia hitondrako be dia be
            C        D
Raha tian-dry


            Am                        
Tsy lavitra ny misy an-dry
            G
Raha mba manana elatra akia e
            Am
Tsy mangina ny tananandry
            G
Raha mba manana elatra akia e
            Am
Nana-namana foana indry
            G
Raha mba manana elatra akia e
             F                   C
Dia ho voavangivangy foana akia
            C              G    
Ny tanana misy an-dry



Vetivety foana aho dia mandeha
Vetivety foana aho dia mandeha
Hilaozako ny hazavana
Vetivety foana aho dia mandeha
Vetivety foana aho dia mandeha
Tonga indray ny haizina



Mandray ireo tananao aho dia
Manantona ny tratranao aho dia
Mamihina ny fonao aho dia
Manao veloma indray
Teo andrefan-tanana aho dia
Nahita ilay masoandro aho dia
Nanaraka azy teo aho dia
Nidify tamin'izay fa



Raha mbola misy dia hoentiko manaraka an'ahy
Raha mbola misy dia hoentiko manaraka an'ahy
Ny alahelon-dry



Tsy lavitra ny misy an-dry
Raha mba manana elatra akia e
Tsy mangina ny tananandry
Raha mba manana elatra akia e
Nana-namana foana indry
Raha mba manana elatra akia e
Dia ho voavangivangy foana akia
Ny tanana misy an-dry