EO FOANA

Lohateny EO FOANA
Nampiditra valssou
Tamin'ny 05/01/2005 12:23
Vangy : 477
Impiry moa no nolazaina ianao

Mba hiteny aloha vao manao ny atao

Avy eo mitanondri-dava

Toy ireny resy lava

Tsy sahy mitaraina

Hita rera-tsaina

Tsy teo ve aho 

Ka nahatsiaro irery ianao

Sa aleonao irery

Amin’izay tsy miery

Saingy tsy fantatrao

Izay fotoana izay

Tsy mba ho azonao 

Averina indray (2)



Nila ahy ianao hatramin’izay

Dia teo aho

Raha mila ahy ianao anio

Dia ho eo aho

Tsy irery ianao fa teo foana aho

Ary ho eo aho

Raha irery ianao 

Dia irery aho



Aza omena tsiny 

Raha sahirana indraindray

Fa fitadiavana io

Ary ho anao sy ho ahy

Aza sorena akory

F’efa ato am-poko ianao

Na andeha hatory

Na hifoha aho (2)



Nila ahy ianao hatramin’izay

Dia teo aho

Raha mila ahy ianao anio

Dia ho eo aho

Tsy irery ianao fa teo foana aho

Ary ho eo aho

Raha irery ianao 

Dia irery aho



Impiry moa no nolazaina ianao

Mba hiteny aloha vao manao ny atao

Avy eo mitanondri-dava

Toy ireny resy lava

Kivikivy foana

Nefa aho teo foana

Ary ho eo foana



Nila ahy ianao hatramin’izay

Dia teo aho

Raha mila ahy ianao anio

Dia ho eo aho

Tsy irery ianao fa teo foana aho

Ary ho eo aho

Dia ho eo foana aho



Auteur – compositeur : Beranto

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008