Izaho mitia

Lohateny Izaho mitia
Nampiditra philoulou
Tamin'ny 06/04/2006 15:54
Vangy : 365


An an an!

Tsy tsapanao tokoa ny ato anatiko ato

Tsy haiko koa, tsy fantatro fa marary ahy ny aiko

Ianao efa nitia, efa tapitr'ohatra malalako ô

Izaho nitia nisento toa ... hummm ..!



Raha fotoana kely tsy maha eo anao

Toa very, malemy ka tsy hita izay atao

Mitady ilay fitia ho tonga eo no ho eo

Rahavako ô

Izaho akia, misento toa ... hummm ..!



Tiako ianao, Tiako loatra ianao mba ho fiainako

Adala ve aho raha toa mitia tahaka izao

Eny tokoa, ianao no fanafodiko



Tiako ianao, Tiako loatra ianao mba ho fiainako ...





Raha fotoana kely tsy maha eo anao

Toa very, malemy ka tsy hita izay atao

Mitady ilay fitia hotonga eo no ho eo

Malalako ô

Izaho akia, misento toa ... hummm ..!

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1147