Tondrom-peo Andriamanitra Avo

Lohateny : Andriamanitra Avo
Nampiditra tondrompeo : nouna432
Daty : 16/10/2005



           Andriamanitra Avo

Toa tsy ho ela dia foana,

izao tontolo izao

Soa aho fa nihaona

sy nahalala anao

    Fa teny amoron-kady

    ny antsana no tazana

    potika ny tany

    sy zary hiantsampazana

Ny manodidina ahy

toa moana sy poakaty

Ny hatsaram-panahy

nandositra sa maty

na ny fijery an\'azy

lasa nandao koa ny fo

tsy hisy te halala azyny alaheloko

   Indrisy ny fitiavan-tena

   dia loharanon\'ny maloto

   Tsy mety ritra tsy hay fefena

   Lasa rano fisotro

Tsy misy hatahorako

Hitsakitsahinao daholo

Na herika \"nodorana\"

Ny fahendren\'ny Ntaolo

   Fa tonga ianao nivazo finoana sy fitiavana

   handesy ireo ratsy

   hampiray ,hampihavana

   Ka ny fitiavana no hasetriko ny sopatra

   Ny manodidina ahy,fony no hiriko hisokatra

Fa tsy hisy lalan-tsarotra,

na fitsapana mety handavo

Fa ao hitsinjo ,hanavotra

  ANDRIAMANITRA AVO!

Ou! ou! ou! ou!......

  Andriamanitra Avo!