Hevitra mikasika an'i Mahaleo

Momba an'i Mahaleo | Hametraka hevitra

9. Nampiditra : zakony
03/02/2005 17:13:41

Mety misy fika ve ahazoana ny accords na tablature ny hiran' i Mahaleo e? mba mianatra gitara dia te hilalao ireo hira moramora aloha

8. Nampiditra : hery
02/01/2005 10:19:03

Amin'ny volana may 2005 izao no hivoaka ny sarimihetsika "Mahaleo" azonao jerena ao amin'ny mahaleo.com ny mombamomba azy

7. Nampiditra : eisy
29/12/2004 11:50:38

mankafy tanteraka ny tarika mahaleo e! tohizo fa tsara e!

6. Nampiditra : naivoidealy
08/12/2004 18:42:12

hafatra kely fotsiny hoan'ny tarika mahaleo sy ny mpankafy rehetra.Tohizo ny hira sy ny kantonareo fa tena tsara ary raha mba mety dia mba ataovy any anaty albumnareo @ izay ilay "andriamanitra avo "iny.Misaotra betsaka

5. Nampiditra : rasera2004
03/12/2004 21:19:36

Efa mba tokony ho atsrany any amin'ny studio amin' izay ny hirany satria na tsar tahaka ny inona aza ny tonony sy ny feony indrindra ny fampiaraham-peon-dry zareo dia betsaka ireo hira dia mampalahelo ny tahiry mba azo taminy satria teny an-kalamanjana ka raha mba te ahalala ny ankizy aty afara kanefa raha vao mihaino ny oronam-peo mba misy ireo hira dia kivy rizareo. Ka dieny mbola eo ny feo, dia ity no mba hafatro ho an-dry zareo ao amin'ny tarika, mba manokana fotoana hanaovana ny tahirim-peo any amin'ny studio mba ho an'ny taranaka fara mandimby, ary farany dia tokony asiana hevitra koa ny fanoratana ny hira na tablature na solfege fa efa lasa hare-tsaina malagasy ireo hira maro kanefa any aoriana raha mba te hitendry ny taranaka dia tsy mba misy tahiry. ary ity soso-kevitra ity dia ho an'ny mpihira efa lasa hare-tsaina malagasy ny zava-bitany ohatra Ratsimbazafy, Ramarosaona, Bessa, sy ny rehetra tsy voatanisa. Manantene kapila manjelatra maro izany hoa an'ireo hira heno mikasaoka fahiny nefa tiana ihany fa izay no mba misy Ohatra saoly, Haleloia, Gema, Zakilina, Ny tanan'i Neny, sns.......

4. Nampiditra : Rasam
25/08/2004 17:13:41

Ny tarika Mahaleo dia niforona t@ taona 1972 tao Antsirabe tao anatin'ny tolom-bahoaka nentina hanoherana ny fitondrana "néocoloniasme" t@ izany fotoana, ary izay no mahatonga ny tarika ho lasa "engagé".
Mbola mpianatra tao @ Lycée Antsirabe no niforona ny tarika ary ireto avy no mpiakambana: Dama sy Dadah no anisan'ny atao hoe fondateurs principaux. Avy eo dia nanaraka i Nono rahalahin'i Dadah, i Raoul rahalahin'i Dama, avy eo i Fafah sy Charles ary i Bekoto.
Efa telopolo taona mahery izao no niforonan'ny tarika, ary na teo aza ny rivo-mahery saika nandrava ny tarika dia mbola nasehon'ny mpikambana fa zava-dehibe ny fihavanana ary ny "ny hira no mampiray" azy ireo.
Tsy ho ary voatanisako eto ny mombamomba ny tarika fa lava be, ireto misy lien hahafahanareo mijery ny momba ny tarika:
nathalie.rabe.chez.tiscali.fr/divers/mahaleo.htm na
www.mahaleo.com (en construction fa tsy ho ela dia vita)

Izay fa dia mahazoa fahafinaretana miaraka @ ireto "haren'ny firenentsika" ireto e.

3. Nampiditra : beko
11/04/2004 21:45:37

Izaho dia anisan ny mpakafy tanteraka ny tarika Mahaleo indrindra fa Dadah sy Fafah , ary misaotra azy ireo mbola manohy sy manome fahafinaretana hatrany . Mirary soa ho an ny tarika dia ny vavaka atao dia ny mba haharitra anie ny fiarahan tsika .

2. Nampiditra : jonah
22/09/2003 14:32:49

30 taona ny Tarika Mahaleo.Raha olona izany efa tena ao anatin\'ny fahamatorana tanteraka.
Raha mahavita ohatr\'azy ireo ny ankizy @ izao fotoana izao dia tsy ho very ny hasin\'ny mozika malagasy.
Ny Tarika mahaleo hatrany am-piadohana dia hita fa ho lasa lavitra satria mozika tena malagasy no nentiny, tsara ny fety t@ niarahany t@ LÔLÔ sy ny tariny ny 30 aogositra 2003 tany Atsonjombe. Izaho aloha dia tena TIA tena TIA ny tarika, tsy fanasoasoana ny tarika Mahaleo no atoko fa fijerevana fotsiny ny zava-bitany(objéctivité). Dia izay ary aloha fa dia ankafizo i Mahaleo

1. Nampiditra : hery
20/09/2003 03:35:01

Ny tarika Mahaleo dia ao anatin'ny fankalazana ny faha-telopolo taona nihirany. Efa avy nanao fampisehoana vitsivitsy tany ivelany izy ireo, ary hanomboka amin'ny zoma 30 aogositra kosa ny fety eto Madagasikara. Ao amin'ny CC Esca no hanaovany izany fampisehoana izany ny zoma 30 aogositra, ary ao Antsahamanitra kosa ny zoma 6 septambra. Tongava daholo ary hanao fety e! Dia samy hahazo fahafinaretana daholo koa.

First  < 2 3 4

Hametraka hevitra

Midira aloha