LAVITRA (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lavitra any izy tsy mety hiverina intsony
Inona ary no nahasodoka ny fony
Angamba tamana izy any ho any
Mamisavisa izany eto aho lasa vinany
                   Toa adinony tsy tsaroany
                   Ny fiarahanay omaly
                   Isika mahatsiaro izao
                   No tena mijaly
Lasa ambiroa ny aty mieritreritra anao
Tsy mety ho avy
Toa lany lainga manao izay hiverenanao
Adala anao, manembona anao
                   Nefa raha nieritreritra aho f’aleo izy ho any
                   Fa ndrao manjary fitiavan-tenako izany
                   Metimety koa izy raha mijanona any
                   Fa ny fiainako aty feno tomany
Inona no ataony aty
Ny aty tsy vokin’ny fitia
Raha mbola tokan-trano maso
Sesehena foana ny ankaso
                   Nifampizara fahantrana fotsiny izahay
                   Raha mbola teo izy
                   Mifanome tsiny rehefa tonga any aoriana
                   Aleo izy ho any (2x)
                   Ho zakaiko ny elenelan-tany
                   Aleo izy ho any

                                 NJILA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 8508
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Linah D
Daty : 05/08/2003 08:58
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012