Mason'ny alina (Tsiakoraka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny andro no nandalo f’izao no niaritra,
Nimbanjina ny fara-vodilanitra,
Niandry ny hariva ,
Ny masoandro iva,
     Ny alina no tonga fa izaho efa lasana,
     Lasa lavitra tsy hita hoandrasana,
     Nitety tany hafa,
     Tsy hitan’olon-kafa,
    
     Embona ela elan’elan-tany
     Olontiana honofisi(na) mamy,
     Mamy iiii
     Heim heim heim (2)

Fa ilay taratrao manga fijery,
Mason’ny alina namana mahery,
No niantso nitaona nitondra mba ho eny,
Vetsovetso no alefa sesilany,
      Hiampita any ambadika any,
      Any iiii
      Heim heim
      Heim heim
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsiakoraka
Vangy : 13560
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Izy
Daty : 29/01/2006 09:39
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012