Mandehana (Melky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aoka hifarana hatreo ny amin’iny,
isika samy efa leo, tsisy tsiny
Koa mahità ny soa,
Atao ahoana moa
Rehefa tsy tamana
Mandehana

        Izato ianao dia be safary,
        Tsy milaza ny anton-dia,
        Nefa hita miharihary
        Fa handrava ny fitia
        Izaho efa nahalala
        Hatry ny ela be
        Fa ianao te-hiala
        Ka tapa-kevitra aho fa hoe :

Raha toa ianao lokanga
Izaho koa anie valiha,
samy manam-peo manga
samy manana mpitia,
raha varatra ianao
vatolampy koa ny aty
raha iray no mandao
mbola marobe no tia


A/C Henri RATSIMBAZAFY
1988
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Melky
Vangy : 1073
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 18/02/2022 17:28
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116