FITIAVANA TENA FITIA (Mihanta)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fitiavana tena fitia tsy mba zaraina,
Fa tokana sy ho doria, ny olona lalaina,
Tsy mitovy amin’ny hafa, tsy sahala,
Ka tsy mahazo ampitahaina !
Fa iray dia iray… ho tolorana ny aina.

        Fitiavana tena fitia tsy mba ambaina
        Tsy andrana na toa fanamby, ka sambasambaina
        Tsy kilalao no hoe sangisangy
        Fa tena izy ny voady !
        Ka ny tia, tena tia… mifamofo dia mivady.

Fa ianareo roa izao no tena fitia,
Miloka sy mivoady ny ho doria !
Omena anareo ny tso-drano sesilany,
Fa mendrika anareo roa izany.

        Lehilahy tia miahy sy tia mihary,
        Mendrika haja tsy harofy, ary tsy harary
        Vehivavy ho rehareha vonon-kanampy
        Vonon-kiafy, hanohana
        Tahaka sy maodely… hoan’ny ankohonana.

Mahaleova mahalasàna ianareo roa
Mahareta, marèna tokantrano…
Hanam-para, hanam-dimby izay ilaina !
Ampita ny fitia eran-tany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mihanta
Vangy : 620
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Fenohasina28
Daty : 08/02/2023 13:21
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157