Ry fanadinoina avia (RR Majunga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry fanadinoina  avia
Avia ampio aho satria
Izy milaza tsy tia
Kanefa io manjohy izany dia

Tsy andro tsy alin’izany
Fa indro dia hitako eo ihany
Mitsiky mandatsa ahy hatrany
Ny endriky ny havako izany

Anio ianao no maneso (2)
Kanefa hoy aho andraso
Tsy vitan’ireo voninkazo
Raha ela dia tsy halazo

Izay ve ianao vao hahalala
Hitodika hiantso ahy malala ô
Ho avona ve sanatria
Raha toa mba valiako hoe tsia

Koa samia samia mahaleo mahalasa
Samy miandry izay fiva-diky ny rasa
Fa raha fitia miavo-tsahala Izay tia re no adala
Saingy avom-pitia sangondin-tandrimo
Mahafanina re ka tandremo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RR Majunga
Vangy : 5222
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rakaza
Daty : 22/04/2010 17:30
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113