Manantena (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misento aho indraika malala
Torovana mahatsiaro irery
Kanefa ny toky tsy miala
Manery ahy, ka tsy mbola very
               ref: Ho nofy ve ’zany andro izany
                       Dia ’lay ora ,zay antenaintsika
                       Tongava malaky, aza avela ho lany
                        Ity fanantenana amintsika
Ny adidy izay vitako etoana
Dia hotontosaiko avokoa
Porofo fa mbola tsy foana
ilay toky andrandraintsika roa
    Hiandry aho ka hiandry hatrany
    Na mafy aza ny manantena
    Fo feno toky sikino hatrany
Fa hoavy izany andro izany
                    
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 7022
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : keyntah
Daty : 14/03/2006 14:12
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129