Matokia (Ny Mpitory)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza ny finoana ?
Nahoana no vonoina ilay fanantenana ?
Moa ho tojo fandresena,
Raha diso izay jerena hizorana.
Misy ady mafy,
Manery antsika hiafy fa tsy hamoy fo.
Mirosoa, matokia,
Fa ao ilay Mpitantana ny diantsika ety.

Toky efa nomena,
Ny toeran'ny fanahy, hanoro sy hiahy.
Hanazava fitodiana,
hanitsy fiviliana sendra tsy nahy.
Tsy maintsy ho lasa
Toy ny ota efa voafafa ny fahoriana ety.
Mirosoa, matokia,
Araho ilay Mpandahatra ny fiainantsika ety.

Ny hizara hazavana,
Izany no ilana ny mpino mahajoro.
Ataonao ho mpiara-dia
Hanavotra ireo maro an-tanin-korohoro.
Koa isika antenaina,
Nahoana no halaina fa resim-pahakiviana ?
Asehoy fa raha iraisan-tsaina,
Hoe Kristy tompon'aina
Dia zony no itokiana.

Toky efa nomena,
Ny toeran'ny fanahy, hanoro sy hiahy.
Hanazava fitodiana,
hanitsy fiviliana sendra tsy nahy.
Tsy maintsy ho lasa
Toy ny ota efa voafafa ny fahoriana ety.
Mirosoa, matokia,
Araho ilay Mpandahatra ny fiainantsika ety.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Mpitory
Vangy : 1296
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jantina
Daty : 26/03/2021 16:08
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116