Jaly (Rija Ramanantoanina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lehilahy: Ranomasina io jerena
    Fafao ny maso, (2)
    Fa hilefa tsy ho terena
    Izao hankaso,(2)

    Dia io lanitra io fihino
    Bitsiho hamiratra
    Fa hafana taratra
    Feno ditsoky ny maso
    Izay miseho mba tsy aninona ny fo

    Avy eo dia mitsikia
    Resao ilay fonao tia
    Fa hiova taratra io
    Ho manga lanitra


Vehivavy: Ka izay ritsoky ny jaly,
      Soraty ho vazo
      Ho sary kalo
      Fa ny hihira hifamaly
      Ny fo sy ny maso (2)

      Dia hikiaka ny ao anaty
      Hamaky lanitra
      Ilay farim-parina
      Ho voafafa ny andro lasa
      Ho toy tsy niseho
      Izay angany  ho tsy ho reha

     Ny vavakao ampio
     Iankino Jesoa tia
     Fa fantany ny jaly fony izy tety

Miaraka: Ka izay ritsoky ny jaly
    Soraty ho vazo
   Ho sary kalo
   Fa hihira hifamaly
  Ny fo sy ny maso (2)

  Dia hikiaka ny ao anaty amaky
   lanitra ilay farim-parina
   Ho voafafa ny andro lasa
   Ho toy ny tsy hiseho
   Zary angano tsy ho reha
  
   Ny vavakao ampio
    Iankino Jesoa tia
    Fa fantany ny jaly
    Fony izy tety
--------
Rohy:
Hevitra
Si J ( 19/05/2023 21:32)
"Jaly" no lohateny fa tsy "fafao ny ranomaso" tompoko 😊 Misaotra mizara 😊
hery ( 19/05/2023 22:12)
Misaotra anao nanitsy.
Azonao nampiasaina avy hatrany koa ilay hoe "Ahitsio"
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Ramanantoanina
Vangy : 8813
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : LeSaroy
Daty : 07/04/2010 09:36
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132