Soa fa nisy anareo (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa kivy ny saina, reraka koa ny loha
Ny zava-nokasaina nandamòka avokoa
Toa tsy misy itarainana, itodihana intsony
Namono sofina hatramin'i Jehovah ao ambony
Tsy namaly intsony.

Fa miha-manjakazaka ireo mpandrava laka
Misonenika mandihy ny mpialona sy tsy tia
Fa ny tena dia eo efa tofoka, leo
Manahy mafy ny ho tara
Miandry ny tsy ho anjara, tsy ho anjara

Kanefa zany rehetra zany tsy asiantsika sira
Ny antsika asiantsika hirahira hoe
Avelao hanenjika hivovò ny alika
Ny antsika hoe tsy maintsy ho tafita

Soa fa misy anareo mampiravo ny fo
Soa fa teo ianareo ianareo namako
Soa fa misy anareo namana mba ihantana
Fa raha tsy teo ianareo asa izay niafarana
Soa fa misy anareo mampiravo ny fo  
Raha tsy teo ianareo angamba aho namoy fo
Soa fa misy anareo namana mba ihantana
Fa raha tsy teo ianareo asa zay niafarana

Fa ny rariny andrasana toa ela fiavy
Angamba miandry ho any am-pasana angamba izy vao ho avy
Fa ny hitsiny antenaina toa ela aoka izany
Ity kely sisa aina ho ritra ambony ihany
Tsy hahatanty izany.

Fa miha-manjakazaka ireo mpandrava laka
Misonenika mandihy ny mpialona sy tsy tia
Fa ny tena dia eo efa tofoka sy leo
Manahy mafy ny ho tara
Miandry ny tsy ho anjara, tsy ho anjara

Kanefa 'zany rehetra 'zany tsy asiantsika sira
Ny antsika asiantsika hirahira hoe
Avelao hanenjika hivovo ny alika
Ny antsika hoe tsy maintsy ho tafita

Soa fa misy anareo mampiravo ny fo
Soa fa teo ianareo, ianareo namako
Soa fa misy anareo namana mba ihantana
Fa raha tsy teo ianareo asa izay niafarana
Soa fa misy anareo mampiravo ny fo  
Raha tsy teo ianareo angamba aho namoy fo
Soa fa misy anareo namana mba ihantana
Fa raha tsy teo ianareo iza moa no ihantana.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 1980
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/02/2019 13:42
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122