Vady faharoa (Fali)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ary noho ny alahelonao
Hadinoy f’izaho tsy anjaranao
Tsy hisy intsony mantsy ny amintsika
Tsy hitomaniana intsony fa vita

Ny filafila nataonao angamba
Nahavariana ka nahatonga ahy jamba
Ankehitriny anefa fantatro
Hay izaho 'lay vady faharoa

Ny fitia zay tena mamy mbola hisy hatrany
Raha hiteraka tomany aleo avelako any
Fitia toa kilalao, mampijaly ahy ny anao
Aleoko miala dieny izao

Soa ihany fa nasiana fefy
Hay fitia mampiara-droa ka lefy
Ny any aoriana no tandremana
Tsy ho maika mora manana

Ny fitia 'zay tena mamy mbola hisy hatrany
Raha hiteraka tomany aleo avelako any
Fitia toa kilalao, mampijaly ahy ny anao
Aleoko miala dieny izao
Raha ny fitia 'zay tena mamy mbola hisy hatrany
Raha hiteraka tomany aleo avelako any
Fitia toa kilalao, mampijaly ahy ny anao
Aleoko miala dieny izao
Mampijaly ahy ianao, ianao toa milalao,
Aleoko miala dieny izao



Tonony sy feony : Silo Andrianandraina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fali
Vangy : 2125
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 13/02/2015 14:52
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0199