Mahatsiaro anao (Anyah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahatsiaro anao, mitomany anao ny foko
Fa tsy eo ianao, ilay mameno ny fiainako
Ny tokinao no mijanona ato an tsaiko
Toa sarotra ho ahy anefa izao ny miaina azy ireo

Mangina aho, manjombona ny isan’ andro
Mitovy, tsy miova satria tsy mba anilanao
Ny hafatrao nilaza hoe tsy hifandao
No hery mampahery ahy na dia mafy

Miverena ianao dieny izao
Fa malahelo loatra aho
Efa zatra anao aho
Tsy hoe tantiko foana ny hoe tsy eo ianao
Fa ianao koa ve tsy efa malahelo ahy
Fa ianao koa ve tsy mba mitomany ahy isan’ andro

Ireo namako no miezaka hampitony ahy
Fahatoniana mandalo, dia miasa any ireo ahiahy
Ry malala o , rahoviana indray ianao vao hitako
Izaho tsy mba mahafoy anao
Tsy mba manadino anao

Miverena dieny izao
Fa malahelo loatra aho
Efa zatra anao aho
Tsy hoe tantiko foana tsy eo ianao
Fa ianao koa ve tsy efa malahelo ahy
Fa ianao koa ve tsy mba mitomany isan’ andro
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Anyah
Vangy : 9160
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tiarah
Daty : 29/08/2007 12:59
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122