Sao ianao mihevitra (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha vory vahoaka ianao no miserana,
mianjona kely manenjan-daferana,
dia mihevitra ery fa tsy fahita firy
ny bikanao kanto, ka maro mpaniry.

Ny felana maitso mandravaka ny hazo
hiraraka an-tany fa zary halazo,
hindaosin’ny rivotra sy ny tadio
tsy hahalala azy intsony ny misy azy anio.

Ny hazo ranjanana sy midoroboka
na ho ela na ho haingana mbola ho boboka,
Ireo voro-manidina nampiantranoiny
dia hifindra lasy tsy hahalala azy intsony

Ka sao ianao mihevitra
fa ho tanora mandrakizay,
Sao ianao mihevitra
fa tsy ho lefy rahatrizay

Raha afaka folo na roapolo taona,
ity hono izaho sy ianao ka mihaona
toa hitako ianao efa maina sy tola,
izaho koa ery efa konka sy sola :
- "Fa hono inky ho’aho Ramatoa Rasoa,
izato ianao akia toa niova tokoa !
- lanao koa re ry Ingahy Ratsimbazafy,
efa ho roapolo izao ny zanaka aman-jafy !!!"


F’angaha ianao mihevitra
fa ho tanora mandrakizay,
angaha ianao mihevitra
fa tsy ho lefy rahatrizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 6826
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 30/10/2002 21:42
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151