Iriko (Billy Vahatra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iriko anie io olona io
Fa masoko mahita manjary tadio
ouh ouh ouuuh

Iriko anie, iriko tokoa
F'efa azoko nofy saika tsy hampifoha
ouh ouh ouuuh

Tapa-kevitra aho hanatona azy
Fa teny indraim-bava angamba tsy hahavoasazy
Andrana ihany izany
Fiangaviana raha toa azo atao
ouh ouh ouuuh

Nifankatia nifidy lalan-kizorana
Sao miantefa amam-bato ka mety ho torana
ouh ouh ouuuh

Iriko anie, fa saingy tsy ho sahiko
Toa mifandaka hatramin'ny saiko sy fanahiko
ouh ouh ouuuh

Tapa-kevitra aho hanatona azy
Fa teny indraim-bava angamba tsy hahavoasazy
Andrana ihany izany
Fiangaviana raha toa azo atao
ouh ouh ouuuh

Iriko anie, holalaiko amin'izay
Fifaliako tokoa ny iarahanay
Ouh ouh ouuuh

Iriko anie, iriko ho havako
Handrehetako ny afo, y afom-pitiavako
Ouh ouh, ouuuh
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Billy Vahatra
Vangy : 684
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 14/02/2022 18:30
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117