Ny hirako (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny hira, ny hirako
No mba hany namana
Itodihana, itodihako
Rehefa manimanina

    Manimanina ny akany
    Manina ny tanindrazana
    Izay any ambadika any ho any
    Lavitra tsy hita tazana

Ny hira, ny hirako
No alefako miampita
Itsidihana, itsidihako
Ny any ambadika tsy hita

    Izy no mitanisa
    Ny alaheloko aty
    Sy zava-maro tsy hita isa
    Mampanahiahy ahy

Ny hira, ny hirako
No alefako mamangy
Ireo havana, ireo havako
Mba iarahany misangy
  
    Hitoetra ao ampo
    Ampon’ny tsirairay
    Hisolo toerana ao aloha
    Mandrapaha-tonga ahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 11329
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 03/11/2001 18:11
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136