Tsiaro azy (JEANNOT)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fotoana fohy lasa izay no niarahantsika
'Lay fitiavanao sy ilay fitiavako
Nandringa vao niandoha
Tsy mahafondro, tsy mahatsiny
Hivavaka aho ho anao
Hahita izay ho anjara tendriny.

    Malahelo dia mivetso aho
    ianao no tsaroana
    mitoetra irery manirery
    zatra namana.
    Aiza irony lasa taloha
    Tantara sisa ireny
    Lalan-kafa indray izao ny fiainana.

Mitanisa ireo fanao irony lasantsika
'Reo sangisangy tena izy
Nandratrarana ahy
Teo ianao tsy nahafoy
Nilatsa-bava hoe
Mbola hafa ilay voaloham-pitiavana.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : JEANNOT
Vangy : 7002
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 18/07/2002 11:15
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114