Isalo sy Ankaratra (Benja ANDRIANTAHINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy menatra ve 'nareo ry Isalo sy Ankaratra
No mijoro hampisompatra ny fiarahanay teo
Tsy vitan'izany ihany fa ampianarina hanadino
Izy ka tonga tsy hino ny fanajako ny voady

Iaho anie aty atsimo gea tsy manalino
Na lavitra Antananarivo ny rasantsika lia sikio
Fa hianatra aho, fa hianatra aho noho ianao
Hahatonga antsika ho olon'afaka

Nahoana re no avony 'ty olona efa anjarako
Notakonana ny masoko tsy hahita azy intsony
Ry Isalo sy Ankaratra ampianaro izy hahatsiahy
F'izaho aty dia manahy sao dia misy misompatra

Iaho anie aty atsimo gea tsy manalino
Na lavitra Antananarivo ny rasan-tsika lia sikino
Fa hianatra aho, fa hianatra aho noho ianao
Hahatonga antsika ho olon'afaka
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Benja ANDRIANTAHINA
Vangy : 2148
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 19/09/2018 18:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129