HANALA AZY (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
namboly hazo izahay omaly
tany atsimotsimo tany
maina be anefa ny any
ka tsy maintsy naka rano, ohohoh
nanararaotra ity fotoana
ka nisotrosotro foana
dia niresaka avy eo
ny iray t@nay tsy naloa - peo
   zahay rehetra izany
   mikisaka any ho any
   rehefa mba manal’azy
   ny anay kosa anie
   ny revy tsy atao be
   fanalana hareran-tsaina
lasa @zay zahay niala teo
ndeha hitondra indray lay feo
dia nandray ity gitara
sy ny amponga avy ato afara
nitangorona vetivety teo
reo zay sendra mba nandalo
dia teo indray zany ny tantara
dia tsy haiko intsony zay niafarany, ohohohoh
     zahay rehetra izany....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AmbondronA
Vangy : 5879
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 23/06/2004 22:40
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124