Sombinaiko (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sombinaiko, ho anao
No amoronako ity hira ity
F’efa tsy ho ela dia ho avy
Ilay ora iray iandrasako anao
Fantatro fa tsy safidinao
Ny ho tonga ety an-tany
Tsy lanitra no hitsena anao na paradisa koa
o! o !o fa
   Fantatro, fa hisedra ny mafy ianao
   Nefa aoka ho fantatrao
   Fa tsy noho izany ny hahatongavanao
   Fa fitiavana
   Tsy misy tambiny fa omena tsotra izao
   Ka tsofin-drano ianao mba ho olo-mendrika
   Fitiavana no hany anananao
   Sabatra ampy hiaro anao
   Raha sendra loza koa

’Zay no lovasoa tsy mety ho lo
Atolotro anao
Vatsy entinao hamaky ity fiainana mafy
Raha toa saraka anao
Io fitiavana io
Antsoy fa izy no hamaha
Hanasitrana ny aretinao
Katsaho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 10826
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mumu-onisoa
Daty : 10/05/2004 04:32
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0237