MAZAVA ATSINANANA (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mazava atsinanana  e, ny faravodilanitra
Madio magalahala ny lokon’ny lanitra
Mandom-daravarana e, ilay tara-pahazavana
Madio mangalahala ilay masoandro vao maraina

   Ity ilay maraina, maraina ilay nandrasana
   Maraina vaovao,  nanadrandraina hatramin’izao
   Tonga angamba ilay maraina, izay nampanantenaina
   Mba tsy hahakivy any izay niandry hatramin’izay

Ny maso vao mihiratra e, mbola varimbariana
Ny saina no mandinika, vao mahita ny marina

  Ity ilay maraina izay mody mahafinaritra
  Maraina mamiratra satria ny andro miratra
  Ity ilay maraina tsy maintsy hifohazana
  Mazava, maniratra ka mitady hivelomana
  Miatomboka amin’ny fitadiavana isan’andro
  Tsy hitahita indray dia hariva ny andro
  Mirehitra mena ny fara-vody lanitra
  Tsy azo antenaina fa masoandro milentika
  Ka manomboka maizina ny tany aman-danitra
  Tonga ny alina, ka mitondra inona?
  Ny alina hono mitondra fisainana

Mifoha mbola maizina e, ny ankamaroan’ny olona  }
Tsisy miandry ny maraina f’efa samy mianto-tena }
Mifoha vao maraina e, ny ankamaroan’ny olona     } in2
tsisy manantena intsony ilay maraina nofinofy        }
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 6246
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nanaingo
Daty : 02/03/2006 20:37
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015