Volana hono izany isika (Barijaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(vavy)    Volana ,volana
(lahy)     Volana hono izany isika
(vavy)    Volana hono izany isika
(lahy)     Mandefa taratra eny ambony
      Na masoandro mibaliaka
      Mibaribary tsy malony
(vavy)    Kintana,kintana
(lahy)     Kintana mihiratriratra
(vavy)    Kintana mihiratriratra
(lahy)     Mitafy rahona mamiratra
      Na ho rivotr’irakiraka
      Manafosafo morontsiraka

     Ary izao tontolo izao
     Ny tany sy ny habakabaka
     Hanjary kianja vaovao
( lahy)   Hanjary kianja                                      
(vavy)   Hifaninanana hazakazaka
(lahy)    Hifaninanana                                    x2
     Ary ireny rehetra ireny
     No fiainam-paradisa
(vavy)  Toa ombieny ombieny
(lahy)  Toa fanahy handravaka
     Ny androntsika sisa

(vavy)   Volana ,volana
(lahy)    Volana hono izany isika….
                              

    Barijaona
?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Barijaona
Vangy : 1853
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Natoro
Daty : 12/02/2018 10:55
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116