TAFAHOATRA (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tafahoatra raha ny ataonao
Bedibedy lava efa isan’andro izao
Ny didinao no tsy maintsy ekena
Ny miaiky aminao ‘zay no fahalemena

Niezaka aho nitady ny maritra
F’efa ela loatra aho no niaritra
Indrisy anefa tsisy valiny
Kitakita ‘zay no tambiny

Impiry impiry aho moa no tezitra
Tsy mba nitraotra fa nandefitra
Dia araraotinao, langolangoinao
Fa ny ampitso indray
Mamerina ianao
Fa anio kosa,
Aleo aho mba hitsotra
Fa raha ny tokinao
Tsy mba izao, fa “fitia doria”
No ety



Tonony : Bodo
Feony : Bita, Dôsa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 4459
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : titaoa
Daty : 17/08/2006 19:16
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013