Raha sitrakao (Tsiakoraka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha sitrakao, hombay elatra aho
Hisidinako any , lavitra any
Hizahako toerana iray
Ho ahy sy ho anao, raha sitrakao
Ho ahy sy ho anao, raha sitrakao
        Masoandro mody, hitondra ahy
        Ny ali-mangina, hanembonanao ahy
        Hitondra nofy, nofy mamy
        Handrotsirotsy ny fonao tamany
        Handrotsirotsy ny fonao tamany
Vao maraina aho, mangirandratsy
Ny masoandro atsinanana any
Hivimbinako tsiky ho anao
Hitondrana hafanana vaovao
Ny haizina efa lasana nandao
Ny hazavana eo anilanao
        Raha sitrakao, hombay elatra aho
        Hisidinako any , lavitra any
        Hizahako toerana iray
        Ho ahy sy ho anao, raha sitrakao
        Ho ahy sy ho anao, raha sitrakao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsiakoraka
Vangy : 5865
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Natil
Daty : 17/07/2008 13:19
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111