Eto an-tany (Silo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
" ETO AN-TANY "

Aiza ho aiza, maika hoaiza isika
Raha mbola eto an-tany
N’aiza n’aiza, na makaiza aiza isika
dia mbola eto ihany
Hifankahita eo foana, hiara hilalao eo
Raha ihany, iray no hiafarana
Raha jerena akaiky
Niala tany dia hiverina any
Tsisy ho taraiky
Hifankahita eo foana, eo ’ndray isika mihaona

Chorus: Samy ho tonga any an-danitra any
             Raha ny sitra-pony
             Samy tsy hisy ho very intsony
             Samy hahatsapa fa maharary ny fahoriana
             Samy ho tojo tojo fifaliana
            
’Ndao hiray, isika ho tafaray
Dia ho sambatra
Fo iray sy fanahy iray
No hatambatra
Dia lasa be dia be, fitiavana be
Hihiaka isika, iangavy azy isika
Mba hitohy hatrany
Na faly isika, na tomany isika
Dia mba eto an-tany, fitiavana tsy ho lany
Dia ho mamy ny eto an-tany
ohouohouoh

Refrain : Tiako ianao, ianao tia ahy
             Fiainako rehetra ho anao, fo sy fanahy
             ’Reo namanao homenao ahy
             Ka ’zay mety akaiky anao
             Zarainao ho ahy
             Tiako ianao, tsara fanahy
             Ny tenako rehetra ho anao, fo sy fanahy
             ’Reo namanao ho namako
             ’Zay havanao anilako

N’aiza n’aiza, na mankaiza isika
Dia mbola eto ihany
Na ho aiza, na ho aiza isika
Dia mbola eto an-tany
Hifankahita eo foana, eo ’ndray isika mihaona
Raha hiandry, iray no hiafarana....

Refrain : Tiako ianao, ianao tia ahy... (2fois)

Chorus : Samy ho tonga any an-danitra any
             Raha ny sitra-pony
             Samy tsiy hisy ho very intsony
             Samy hahatsapa fa maharary ny fijaliana
             Samy ho tojo tojo fifaliana


                                                    Silo Andrianandraina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Silo
Vangy : 5089
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : njakaiosy
Daty : 21/01/2009 18:53
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126