4.2.1 (Imiangaly)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rivotra
Rivotra mamelombelona, mitondra tsioka
Manoritra tsiky tsy mety fafana, tsy mety gomaina
Ilay feonao

Rano
Rano loharanon’aina tsy hamela ho maina
Ilay fanantenana fa mbola handresy, hitsiry tsy ho tana
Ilay fitiavanao

Afo
Mandoro tsy laitra vonoina na dia efa mitsovaka
Sy mipoa-drano aza dia mbola idongiana ikasokasohana
Ity fonao

Tany
Iorenako sy anorenako fakako, vatako, fakam-panahiko
Tany ifikiran’ireo nofinofiko
Ny masonao

Baby, Baby Boo,
Fa aiko, fananako,
Singan’ny fiainako ianao
Oh my Baby Boo
Tontoloko, manontoloko
Singan’ny fiainako ianao

(Tiako ho fantatrao fa ianao
Ilay rivotra,
Ilay rano,
Ilay afo,
Ilay tany
Iorenan’izao tontoloko izao)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Imiangaly
Hits : 4146
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 21/04/2019 12:13
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
Other titles
more...
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0101