Tomi Dadarozy

Submitted by: raozigasy
On: 16/08/2009

Tomi DADAROZY no solon’anarana ahalalana an’ i RASOLOFOSON Fidy Manantsoa, monina ao Antsirabe  (Madagasikara).

Mpikambana ao amin’ny OMDA ( Zon’ny Mpamorona) nanomboka ny taona 1995 amin’ny maha - Mpanoratra,Mpamorona feon-kira sy Mpandrindra mozika ary Mpihira.

Nanomboka  tamin’izy 15 taona no nilona voalohany tao amin’ny tontolon’ny mozika tamin’ny fampianarana tena.

Nanomboka tamin’ny 1994, tany Toliara, no namorona ny Tarika GAMA na Gasy Manal’ Azy vokatry ny finamanana tanora maromaro mpankafy mozika mifangaro na “ fusion”  ka ny mozika Rock Vakodrazana malagasy no niangalin’izy ireo tamin’izany.Nandray anjara tamin’ireo fihetsiketsehana nisy tamin’izany ny Tarika GAMA , toy ny Cabarets, Diner concert, Fête de la musique, Rencontre musicale ary Festival Culturel de l’Université ...

Ny taona 2002, Tomi DADAROZY raha nanohy ny fianarany tao Antananarivo dia nanangana Tarika REGA na Revy Entin' ny Gadon' Adalana vokatry ny mpinamana ny samy mpilalao mozika izay nandray anjara tamin’ny fandaharana ( MaTV sy RLI, RTA hoanao …) , Cabarets ary Fête de la musique ...Ny fianarana anefa no nahatonga ny Tarika ho rava tamin’izany.

Nanomboka ny taona 2005 ka hatramin’izao, Tomi DADAROZY dia nifototra tanteraka tamin’ny famoronan-kira ka anisan’ ny nahalalana azy teo amin’ny tontolon’ny kanto dia ny fandraisany anjara tamin’ ny raki-kira roa an’i Haingo "Ho Anao" sy "Groove it… from MD" (tsidio www.haingo.com) sy ilay hira hirain’ i Haja PAZZAPA III mitondra ny lohateny  " Tiako tokoa " ary ireo tanora vao misondrotra ...

Ny taona 2006, niverina indray ny Tarika GAMA ( niova ho  GAsy MAsaky) rehefa nihaona ka namokatra raki-kira mitondra ny lohateny “ Madagasikara” izay miangaly ny “musique du monde”. Noho ny fahatomombana ara-bola sy ny tsy fananana Manager dia mbola tsy nivoka eny amin’ny tsena ny vokatra.

Ny oktobra 2008, dia nandray anjara tamin’ny Festival Madajazzcar tao Antsirabe izy sy ny mpiara-miasa aminy izay mpialalao mozika ihany koa ka nanangana Tarika RegVak QUARTET izay  miangaly ny Jazz Fusion Malagasy.

Tomi DADAROZY dia mpankafy ny “Musique du monde “ sy ny vazo miteny.

Raha sitrapon’ Andriamanitra dia amin’ ity taona 2009 ity izy no mikasa ny hamoaka ny raki-kirany voalohany mandeha irery izay miangaly ny vazo miteny ary eo am-pitadiavana ny manager-ny izy amin’izao fotoana izao.
Mieritreritra ny hanangana Tarika iray hafa izy izay hilalao “musique du monde “ rano fotsiny izay efa vonona ny hira rehetra.

“ Ny fihenoana sy fankafizana ny mozika dia mitondra fanantenana sy fihavanana amin’ny fiainana, ary ny fanaovana ny mozika dia miteraka filaminana ao anaty ” Tomi DADAROZY

Tranok’ala : http://www.tomidadarozy.netii.net na www.myspace.com/tomidadarozy 

Imailaka : tomidadarozy@live.fr

Comments:

1. Mpankafy

Mankasitraka Dadarozy,
Izay ve ianareo vao vonona e?
Ny vazonareo norme fa mila avoka amin'izay ee
BonS

2. espoirdevato

Tena mahafinaritra be , bravo l'artiste

3. espoirdevato

Tena mahafinaritra be , bravo l'artiste

4. Haingo

faly mahita ny fivoaranao eo @ sehatrin'ny mozika, ataovy tsara ny album fa miandry zahay e! Ataovy mahafinaritra foana toy ny efa niaraha-nikalo hatrizay, xxx

5. Haingo

faly mahita ny fivoaranao eo @ sehatrin'ny mozika, ataovy tsara ny album fa miandry zahay e! Ataovy mahafinaritra foana toy ny efa niaraha-nikalo hatrizay, xxx

6. Haingo

faly mahita ny fivoaranao eo @ sehatrin'ny mozika, ataovy tsara ny album fa miandry zahay e! Ataovy mahafinaritra foana toy ny efa niaraha-nikalo hatrizay, xxx

7. DRAGON BOYS FORCE

TONGA DE MILAY LE REVY,
TOHIZO H@ FARANY BAINA AN

ROVINA LE MANALA AZY TSOTSOTRA DE TSOUTSOUTSEMENT E,

HUHUHUHUHUHU


VIVE MNN
DRAGON BOYS FORCE TOUT TERRAIN

8. Domoina

mazotoa foana de mikiriza fa milay le revy e!
asondroty avo io jazz io namana a!

9. Domoina

mazotoa foana de mikiriza fa milay le revy e!
asondroty avo io jazz io namana a!

10. Domoina

mazotoa foana de mikiriza fa milay le revy e!
asondroty avo io jazz io namana a!

11. Domoina

mazotoa foana de mikiriza fa milay le revy e!
asondroty avo io jazz io namana a!

12. CEMGAM

K'aiza ra fidy é, ay ve lty éla manao mozika kou é, Izay lesy ao tarika fassol kou a. CEMGAM mandriambero ihany é.

13. Valiha

Bonjour!
Manao ahoana ny vazo ao eh!
Bon courage letsy eo amn fiainana ah!
ndraindray io miakatra ndraindray io midina fa ankino am Andriamanitra zay ataonao fa ataony tanteraka foana raha fantany fa mahasoa

14. Valiha

Bonjour!
Manao ahoana ny vazo ao eh!
Bon courage letsy eo amn fiainana ah!
ndraindray io miakatra ndraindray io midina fa ankino am Andriamanitra zay ataonao fa ataony tanteraka foana raha fantany fa mahasoa

Add a comment






[*] Required