Thiera Bruno

Submitted by: raozigasy
On: 25/06/2009
In: Mpihira

ANDRIAMARO THIERA BRUNO, teraka tao Antananarivo tamin’ny 1954.

1964 : Vao folo taona monja dia nanomboka niakatra an-tsehatra izy ary nanao vakodrazana tao amin’ny tranom-pokonolona Isotry

1971: Nandray anjara tamin’ny fifaninana hira madinika tamin’ny teny frantsay (concours de variété françaises) tao amin'ny Radio Nationale de Madagascar

1972 : Namoaka ny kapila « 45 tours »  voalohany misy ny hira « Nofy ratsy » sy « Endrikao » .
Nanomboka tsy afaka am-bavan’ny malagasy ny hirany  hoe « Tsipolitra » sy « ity hirako ity » sns.

1974 -  1981: Nanomboka nitety an’i madagasikara nanao fampisehoana .Saiky voatetiny avokoa ireo faritany enina sy ireo tanan-dehibe tao aminy

1982 : Nahazo ny loka  Radio France tamin’ilay hira « fananetanana »

1984 : Nahazo fanasana tamin'ny « Festival de printemps de Bourges » ary izy no nanomboka ny fizarana voalohany .Ny fizarana  faharoa dia nadnraisan’ny  namana afrikana anjara.

1991: Nanafana sy nanentana ny hetsika Herivelona tao amin'ny 13 mai.

2001: Tao Vienne,nanohana ny « Festival SOS  Mit Mensch » .

2002 : 22 Febroary tao Mahamasina dia nandray anjara tamin’ny fanokanana ny Filoha Marc Ravalomanana  tamin’ny « mila namana » sy « Ka tianao va »

Hetsika manaraka handraisany anjara dia ny 11 jolay 2009 any amin’ny Palais des  Congres de l’Est Parisien, Montreuil

Comments:

1. Penhell

2. Eliane

mahafinaritra be i Thiera Bruno sy ny hirany.Ankafizo hatrany e!

Add a comment







[*] Required