Tarika Damily
Tamin’ny taona 1987 no niakarako an-sehatra voalohany tao Tongobory Faritany Toliara nisy mpanakanto nandalo nanasa ahy mba hihira .Nahafalifaly ahy tokoa izany ka tsy nahatafandry mandry satria tavela tao an-tsaiko io traik'efa io .
Avy eo dia niaraka tamin’ny tarika MIRIORIO tao Bezaha nandritra ny telo taona, niaraka tamin'ny tarika SAFO-DRANO tao Toliara nandritra ny enintaona. Nahaleo tena nanomboka taminy taona 1997.Fantatsika moa ny Tsapiky fa tsy zavakanto fahita eny ambony sehatra fa niandoha rehefa misy fivoriana sy fomban-drazana toy ny (famadihana, bilo, savatsy, fandevenana,izay antsoina hoe MANDRI APOTOTSY). Nanomboka tamin’ny taona1995,izay vao nanomboka nisy fiakarana an-tsehatra ,Toliara, Morondava , Belo/Tsibihina, Mahabo, Ilakaka,Angarazy,Sakaraha,Ihosy..sns ka hatramin'ny nialako tany madagasikara nifindra taty Frantsa taminy taona 2001.
Nanao seho maro isan-karazany aty Frantsa nanomboka taniny taona 2006 taona 2008 amin'ireny fihetsiketsehana lehibe ireny (festivals) ary tany La Réunion tamin'ny fetiny fanafahana ny fanandevozana tamin-ny faran-ny taona 2008
Ireto avy ireo seho atao manaraka mandritra ity taona 2009 ity:
11/06 : French-KWA - 6 rue Planchat - 75020 Paris
14/06 : Salon Emmaüs-Porte de Versailles
19/06 : Guinguette Chez Alriq-Bordeaux (33)
20/06 : Bal Poussière à champ-Malville (44)
26/06 : Festival des Hautes Terres - Saint Flour (15)
27/06 : Festival des Hautes Terres - Saint Flour (15)
04/07 : Puy d'Ardannes à Chalais (86)
12/07 : Festival Musiques et Jardins – Aubervilliers (93)
13/07 : Bal du 13 juillet, place de la Bastille – Paris 12
15/07 : Les rendez vous-Les Ponts de Cé (49)
14/11 : Le Fil- Saint Etienne (42)
13/02/2010 : Cité de la musique (en duo)
Nivoaka teto Frantsa tamin’ny volana oktobra lasa teo ny kapila manjelatra nataonay voalohany izay niarahanay niasa miaraka amin’ny label Hélico,Efa amidy eny amn'ny tranombarotra ireny izany amin'izao fotoana izao . Eo am-pikarakarana ny kapila faharoa ny tarika Damily amin'izao fotoana izao izay antenaina hivoaka amin’ny taona 2010
Hitantsika moa fa tsy moramora ny manao zavatra eto Frantsa fa misaotra ny label hélico izay manao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra amin'ny tarika Damily mikarakara tsy matory andro aman'nalina manasoa ny gadon-kira malagasy Tsapiky mandry ampototsy.
Miala tsiny ho anareo mpamaky fa tsy afaka milaza zavatra maro, ankoatry ilay gitarako, fa tiako ny mahita anareo mandihy na mitsinjaky eo anolako ny dikany zay mitongava maro amin’ny concert ny tarika Damily mba hahita raha soa,ary aza adino ny tanindrazana MADAGASIKARA(ry tanindrazanay malala o ry madagasikarako) mahazoa fahafinaretana.
Tahirin-tsary : J.Boccon-Gibod © www.360images.fr
Ireo takelak'i Damily :
www.damily.net
www.myspace.com/damilytsapiky
www.helicomusic.com