Nono Sambava
NONO SAMBAVA dia mpanakanto, mpamoron-kira, tera-tany Malagasy.
Teraka tao Sambava (Faritany Avaratra-atsinanan'i Madagascar), ary izay no nahatonga azy nitondra io anarana io. Fony mbola kely izy dia efa niaina tao anatin'ny mozika. Niantomboka tamin'ny filalaovana guitare, ary lasa mpihira tamin'ny tanora tao am-piangonana.Tonga teto Frantsa izy tamin'ny taona valopolo (80),ary niorim-ponenana taoToulon.
Nanomboka
niaka-tsehatra maro samihafa :mihira, mitendry guitare sy synthétiseur,niaraka tamin'ny tarika mpanakanto samy hafa koa teto
an-toerana.Nandritra izay fotoana izay dia niverina tao an-tsainy
ny mozika izay mampiavakaan'i Madagascar
izay niainana taloha; ary nafangarony ny mozika izay avy eto Frantsa dia tanteraka soa aman-tsara antsakany sy andavany ary
nankafizin'ny maro.
Tamin'ny taona 2003 no niforona ny tarika mpanakantony izay mitondra anarana hoe « NONO SAMBAVA »,izay miisa telo lahy (3) ny mpilalao ao, ary efa za-draharaha daholo no sady zanak'i Madagascar avy izy ireo.
Ny tarika NONO SAMBAVA dia mampiseho sy manambara ny mozika feno ary mirakitra ny zava-boary avy amin'ny nosin'i Madagascar. Raha ny fialamboly no resahina dia mahafinaritra sy mahafaka sorisory ary azo lazaina hoe: « mpanjakan'ny rotsirotsy ».
Tamin'ny faran'ny taona 2002, no nivoaka ny sangan'asa voalohany izay mitondra ny anarana hoe :"SUCC'SIAKA".
Nivoaka ny taona 2009, ny sangan'asa faharoa izay nantsoina hoe:"RO MAZAVA",izay mirakitra hira miisa 16,ary misokajy fomba fandihizana maro samihafa,tahaka ny:Sega, Zouk, Salegy, Reggae, Slow, Chacha, Malesa….
Ny groupe NONO SAMBAVA dia efa nanao fampisehoana matetika tamin'ny toerana lehibe tahaka ny ato amin'ny Zénith Oméga de Toulon, hetsika lehibe ary fampisehoana isan-karazany amin'ny toerana fialamboly, fampandihizana,amin'ny fanambadiana sy toerana fisakafoanana.
Indro ny takelaka hahalalana bebe kokoa an’i NONO SAMBAVA : www.nonosambava.com