Mami Bastah
RANAIVO
Maminirina Ramiandraharisoa no tena anarako ary MAMI Bastah no anarana hoentiko
amin’ny maha-mpihira ahy, ankoatry ny mozika dia Mpamboly aho . Ny gadon-kira
hiangaliako dia : folk Sy “Musique du monde”
E-mail : mamibasta2@yahoo.fr
Siteweb : www.myspace.com/mamibasta
Ny adiresiko dia Lot 1118 J 110 Mahazoarivo - Avaratra 110 Antsirabe Madagasikara
Tamin’ny taona 1977 aho no nanomboka namoron-kira voalohany ary tamin’ny 1982 ao no niaraka tamin’ny Tarika REMY , ny taona 2000 aho no nanomboka nandeha irery ka nitondra ny anarana “ MAMI Bastah”
Efa nanao fampisehoana mihoatran’ny 120 eran’i Mcar aho hatramin’ny nitondrako ny anarana MAMI Bastah , ary efa nanao fampisehoana tany ivelany ihany koa : La Reunión , FRance , REp Tchèque , Allemagne , Italia
Amin ‘izao fotoana izao aho dia solotenan’i Mcar amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena PRIX MUSIQUE OCEAN INDIEN 2009 izay atao ao amin’ny Alliance Française Antananarivo ny famaranana ny 25 Sept 2009 amin’ny 7 ora hariva (Jereo www.prixmusiquesoceanindien.com
Ny isan’ny hira noforoniko hatramin’izao dia miisa any amin’ny 160 any ho any ary efa namoaka raki-kira (CD Audio 2 aho ary VCD 1)
Ny mpihira tiako dia :
- Vahiny : Bob Dylan , Cat Stevens , James Taylor , The Beatles
- Malagasy : Mahaleo , Lolo sy ny Tariny ; ERick Manana , Tselonina , Feo Gasy , Henri Ratsimbazafy , Jaojoby
Isaorako be dia be ny hetsika toy izao satria ezaka fampahafantarana ny artista Malagasy
MILA VONJY NY GASILAHY
Mila vonjy e, mila vonjy e , mila vonjy ny
gasilahy
Fahamarinana tsisy hita ho’aho , fa tapitra nafenin-dry zalahy
Mila vonjy e, mila vonjy e, mila vonjy ny gasivavy
Ny olo-marina nantenaina misy ‘tady hamono sy hamosavy
Andriamanitra Ray Tsitoha ô , henoy re ‘ty vavakay
Fa tena mafy tokoa , tokoa e , ny loza manjo ity taninay
Efa hatramin’ny elabe no nila vonjy sy nitalaho
Ray Mpamonjy , henoy re , fa mitaraina ny zanakao
‘Reo mpitsindroka zôridira ho’aho , omeo sakafo mba hifaliany
Kalokalo sy hirahira ho’aho , no ataovy solon’ny fijaliany
‘Reo tsy manana hialofana e , matory eny an-dalam-be
Omeo lamba mba hirakofana , tsy manana havana mba aleha
‘Reo mpitantana sy mpitondra re , tariho ny sainy hanao ny rariny
‘Reo mpanodikodina volabe , asaivo soloiny izay nangalariny
Raha manao tsy rariny ireo lehibe , ampiharo lalàna mba ho voasazy
Endaso ho mendy amin’ny afobe , f’efa zatra mangorona ny tsy azy
‘Reo olo-marina sy azo antoka omeo hery sy fitahiana
Raha sendra ny ady izay tena sarotra dia arovy tsara fa aza ariana
Mila vonjy e.............................................................
Andriamanitra Ray mahery ô , omeo valiny ny hatakay
Fa aza avela handeha irery , tsilovy ny lalan-kizoranay
Tsy izay tinay fa ny sitrakao ihany no tanterahina re ry Ray
Ry tompon’ny hery tsy mety lany , mila vonjy aminao re ny taninay
Kanefa na izany aza , olombelona ihany mandre marary
Mahatsiaro mijaly sahiran-dava , rehefa miakatra ambony ny vidim-bary
Andriamanitra Ray mahery ô , iraho mba hidina aty Jesosy
F’izahay malagasy mitady ho very , sady tsy ampy sakafo no tsy ampy sôsy
Mitanondrika mitaraina re , ampanjakao re ny fahamarinana
‘Reo tompon’andraikitra lehibe , ambeno mba tsy hanao zara vilana
‘Reo olon-dratsy mpisetrasetra , tsy maty manota fa mafibe
Sazio mba hitovy aminay rehetra , na “TIM” izy na “TGV”
Mila vonjy e...............................................................
Hamaranako izany tafa , henoy tsara raha azo atao
Tonom-bavaka hafahafa , fa sady mamely no mitalaho
Aok’izay ny mifampitady ry mpanao pôlitika tsy an-kanavaka
Atsaharo hatreo ny ady dia ho tonga tsy ho ela ny valim-bavaka
‘Reo mpanompon’I Jeso Kristy ô , hiara-hiasa sy hampihavana
‘Reo basy sy fiara mifono vy , ampirimo amin’izay , soloy fitiavana
Hiara-dalana , hikorana e , Monsieur Guy Rivo sy Ratsivalaka
Ingahy Andry sy Ingahy Ravalo , hiara-handihy salegy, handihy kilalaka
Mila vonjy e.................................................................
Mila vonjy , mila vonjy , mila vonjy Zanahary
Fa ‘ty tanindrazanay ity anie tena marary
Comments:
1. HAJA
Tsara be ny ezaka vitanao Mamy , de mahereza ary raha mety de mba managataka fisehoana indray mandeh fotsiny eto tana
de zay aloh
2. rolisse
salut...rahoviana ny concert aty fra nce.
3. BOBBIEMelendez
freelance writer