Malagasy Team Kalo A Capella
MALAGASY TEAM KALO A CAPELLA
Singa iray enti-maneho fihetsehana, anaty sy ivelany, ny feo. Maro ny azo ampiasàna azy, fa ny fanehoana azy ara-java-kanto no ijoroan’ny MALAGASY TEAM KALO A CAPELLA. MALAGASY TEAM KALO A CAPELLA, angaredom-peon’ireo mpandala ny mozika voizina aminy (feo), ivondronan’ny tarika maromaro… 3 sy 3, AVM, Mi’AKO, Ar’ty, Zikal, Mikanto Voicing, Team’dera, sy ireo mahaleo-tena vitsivitsy.
Voa-janahary indrindra ny feo, ka na mbola tsy misy zava-maneno hanarahana azy akory aza dia efa afaka ajoro ho mozika feno… iray manontolo, rehefa mandrotsirotsy sy mirindra ho an’ny sofina mandray azy. Ny mpikambana @ iretsy tarika voalaza etsy ambony iretsy dia tanora voavolavolan’ity karazana "seho mozika A capella" ity, àry saika vanim-potoana iray no nihalehibeazan’izy ireo, nitaiza ny fahazazàny, ka niampitàny tamin’ny fahamatorana. Nanodidina ny faramparan’ny taona 90, teo anelanelan’ny 1995 sy 2000 teo, no nahafantarana tarika vitsivitsy nilalao azy io, saingy nihanalefaka izany taorian’ireo. Tsy nodimandry akory ireo tarika ireo, fa nikaroka hevitra hametrahana fototra tsara rafitra sy maty paika hijoroan’ny hoavin’ity taranja ara-mozika iray ity amin’ny sehatra marin-toerana kokoa. Hetsika iray entina hampirantiana azy io, mitondra ny lohateny hoe MALAGASY TEAM KALO A CAPELLA ihany, no hotanterahina ny 10 Jolay 2009 ho avy izao eto amin’ny Faribolana Alemà-Malagasy (Cercle Germano-Malagasy).
Tamin’izany taona 1995 izany, na talohaloha keliny, no nandrenesana fipoirana tarika hoe : Boyz II Men, All-4-one, Pow Wow, Poetic Lovers, Bobby Mc Ferrin, Take 6… sy ny mitovitovy karazana aminy maro. Ireo no tarika anisan’ny nisarika ny MALAGASY TEAM KALO A CAPELLA hilona sy hiaina ao anatin’ity A capella ity, ankoatr’ireo tarika Malagasy vitsivitsy izay efa namela ny dian-drangony tamin’ity kolon-tsaina… kolo feo iray ity moa : Salala, Vaovy, Senge, AVM, Ar’ty, etsetra. Hiran’ireo tarika ireo hatrany no nentina nampifanandrifiana tadin-dokanga… jihim-peo, isaky ny misy fihaonana voalohany eo amin’ny samy mpandala azy ity. Nihanivoatra ny zava-drehetra ka raha mpamerina ireo hiran’olona ireo ny MALAGASY TEAM KALO A CAPELLA fahiny, dia saika efa nirona tamin’ny famoronana izy ireo ankehitriny, izany hoe misy làlana mazava tsara nizorana sy nolalovan’ny fivoarany…
Manasa anao àry izy ireo hanatrika sy hanotrona io fampisehoana hotanterahany ny faha-10n’ny volana Jolay io, eto amin’ny Faribolana Alemà-Malagasy (Cercle Germano-Malagasy) ihany, manomboka amin’ny 07 ora hariva. Ilazao ny tapaka sy namana fa tsy matetika ny endri-javatra tahak’izao !!!!
« MALAGASY TEAM KALO A CAPELLA »
