Madagasikaraoké
Madagasikaraoké dia teraky ny fihaonan’i Madagasikara, sy
ny fanentanana Karaoké .
Tsy mijanona fotsiny amin’ny « karaoké » tsotra anefa i Madagasikaraoké fa manentana sy mihira ireo kanto malagasy sy vahiny ihany koa.
Madagasikaraoké, ihany koa dia « Madagasikara – ok » amin’ny sehatra fanafanàna korana sy takarivam-pilanonana maro isan-karazany.
Madagasikaraoké dia tsotra : « Tonga ny olona, dia mihira Madagasikaraoké, mihira izay te hihira, Madagasikaraoké mampifaly, mitsakitsaky ny mpijery, Madagasikaraoké manentana ; fiaraha-mientana sy mifampizara korana no tanjona »
Madagasikaraoké dia tsy iza tsy akory fa i Stephanie , mpihira tao amin’ny Feon’ala teo aloha, Muriel tao amin’ny Pazzapa ary I Haja www.radiovazogasy.com
Tsy mavesatra ara-pitaovana ny fikarakarana , kanefa ny kantom-peon’ny mpihira dia ampy hanafana ny lanonana rehetra mety hanasana azy .
Fandaharam-potoana MADAGASIKARAOKE : Volana aogositra
MOVE MADA miaraka amin’i Stéphanie sy Muriel
Zoma 21 aogositra 2009 :
MOVE MADA miaraka amin’i Stéphanie sy Muriel
Asabotsy 22 aogositra 2009 :
FLEUR DE TANA miaraka amin’i Stéphanie sy Muriel
Zoma 28 aogositra 2009 :
MOVE MADA miaraka amin’ i Stéphanie sy Muriel
Fanampim-panazavana :
MADAGASIKARAOKE dia ao amin’ny
FLEUR DE TANA : ny 22 aogositra 2009
Efitrano fisakafoanana mahazaka olona 40
Adiresy : 27 rue de Neuilly / 92 110 Clichy la Garenne France
Famandrihan-toerana FLEUR DE TANA : 01 47 31 44 55
Manomboka amin’ny 09 ora alina hatramin’ny sasakalina
Fandraisana anjara : 20 Euros ahazoana sakafo malagasy hifidianana sy fandraisana anjara amin’ny fanentanana.
Metro 13 Mairie de Clichy / Train SNCF Clichy Levallois (sortie rue de Neuilly)
Fametrahana fiara : rue Jeanne d’Asnières
MADAGASIKARAOKE dia ao amin’ny
MOVE MADA ny : 14 / 21 / 28 aogositra 2009
Efitrano fandihizana mahazaka olona 120
Adiresy : 03 rue de le Tombe Issoire / 75014 Paris France.
Famandrihan-toerana MOVE MADA : 06 59 60 75 34
Manomboka amin’ny 09 ora sy sasany alina ka hatramin’ny 01.00 ora maraina , avy eo dia mitohy amin’ny alim-pandihizana miaraka amin’ny Dj ny korana
Fandraisana anjara: 10 Euros hahafahana miditra amin’ny karaoké sy ny fandihizana mandra-maraina
Metro 06 Saint Jacques / RER B Denfert Rochereau
Raha mila fanazavana fanampiny : 06 61 09 30 38 na contact@radiovazogasy.com


Comments:
1. claudie
bonjour Haja,
nous t'invitons a notre garden echos du capricorne de la rentree le samedi 29 aout de 14h a 20h chez nous.
en esperant ta presence.
claudie
06 62 67 68 31
2. Lucky
Pourquoi les karaokés étrangers se vendent-ils alors qu'à Mada, les artistes ne s'y intéressent pas alors que c'est un marché en pleine expansion dans le monde de la musique?