Lalatiana

Submitted by: raozigasy
On: 19/06/2009
In: Mpihira

Niainga tao anatina fianakaviana mpanao zava-kanto ve ianao ? 

Ny raiko dia mpamoron-kira sady nanana Tarika nantsoina hoe “Ny Avoko” tamin’ny fotoan’androny. Mpitarika ny Amboaram-peo tao amin’ny Fiangonana nisy anay koa izy, ka izany no nahatonga ahy niditra tao amin’io antoko mpihira  io dieny mbola kely, nanaraka azy mampianatra hira… Ny reniko dia nihira tao amin’io tarika io, ary ny renibeko (arrière grand mere) dia mpilalao tantara an-tsehatra nanana ny naha izy azy… Tiako hambara koa fa maro ny olona ao amin’ny fianakaviana no manana talenta mihira sy milalao an-tsehatra raha tsy ireo izay voalaza ambony ireo ihany, ary ny fivoriana dia tsy ialàn’ny vetsovetso…

Taona niatombohana nihira , niakarana sehatra ? 

11 folo taona aho no niakatra an-tsehatra voalohany... nihira ny Imaitsoanala (hiran’I Vola sy Noro), ary tsy nahatody hatramin’ny farany fa nitsoaka, satria tera-dranomason’ny henatra sy ny tahotra! Efa efa-polo taona mahery aho izao…

Faniriana hatrizay ve ny hihira ? 

Faniriana? fitiavana angamba, sa talenta efa nitaiza? hoy ny fitenenana hoe “latsaka tao anatin’ny hira aho vao teraka teto an-tany!”

Hira nahafantarana anao voalohany ? 

Lasalasa ambiroa, fony izao tao amin’ny tarika ORO, fa ny hira voalohany noforoniko sy nandraisako anjara tamin’ny fifaninanana “Découvertes RFI 86” dia “Ho an’iza ny masoandro”

Hira eritreretinao hoe nitiavan'ny olona anao ? 

“Avelao… ?

Mpanoratra ny hira ? 

Misy ireo hira , izaho no mamorona ny feonysy ny tonony, fa miara miasa amin’ireo mpanakanto manana talenta manokana ho amin’izany koa aho. Ny anadahiko koa dia mandray anjara be amin’ny famoronanan ny hira sasany hiraiko …

Vetin kevitra fonosin'ny tonokiranao ? zavatra niainanao ve ?

Fitavana amin’ny ankapobeny, fiainana…

Zavatra niainako? indraindray eny, indraindray tsia…

Misy hafatra tianao ampitaina manokana ve aminy hiranao ? 

“…fa ny hira izay hiraiko no ahafantaranao ny amiko

na ny zavatra  tsy tiako, na ny zavatra izay mamiko,

ireny tebitebin-tsaiko, sy ny hafaliam-poko,

Izay rehetra toe-panahiko, ny ahiahiko finoako…”Lalatiana, taona 1987…

Mpanakanto ankafizinao ? malagasy ? vahiny ? lahy ? vavy ? 

Tsy manana anarana manokana ho lazaina aho, fa mankafy izay hira mahasarika ny fitiavako sy ny saiko eo am-pihainoana izany… Mety ho ny tonony nomanohana ahy, mety ny feony, mety ny mpihira, na koa mety izy rehetra mitambatra…Mihaino karazan-kira maro be koa aho, na gasy na avy aty ivelany, fa mamelona ny hevitra famoronana sy ny aigam-panahiko izany…

Ny lalana nodiavina :

Ny azoko ambara :

-     11 taona niakatra an-tsehatra voalohany,

-    Nanafana sehatra maromaro fony mbola vantony, tao amin’ny fokontany sy ny fiangonana, niaraka tamin’ny mpiara-mivavaka, ny mpiray tanàna (tamin’izany no nanomboka nifanerasera tamin’I Tôty ), fa indrindra ny mpiray tampo, nanafàna alim-pandihizana izahay tamin’izany fotoana izany, nanomboka namorona hira koa, ary nankafy ny fiarahana mihira teo an-davarangana…

-     1982:Niditra tao amin’ny Tarika ORO (Tarika nadalovan’ny mpanakanto malaza toa an’i  Nono, Solo Andrianasolo, Arly Rajaobelina, Rolly Andrianjohary, Mamay Ralaivita ary I Toty dia anisan’ny Mptitendry tao…). Tarika namokatra hira toa an’i Lasalasa ambiroa, Avelao any, sady nanafàna fety isan-karazany….

-     1984: niditra ho mpihira tao amin’ny Café Théatre Speedy, ary nihira teny an-tsehatra isaky ny zoma sy ny sabotsy alina, tamin’izany no niforonan’ny Tarika Speedy Band, sy Tritra avy eo… Tao no nanombohana nihaino sy nilalao karazan-kira maro toa ny jazz, tao koa no nampirona ny saina tamin’ny fampivadiana ny loko samihafa ao anatin’ny asa famoronana…Vako-jazz, Jazz-fision… Ireo mpitendry nifandraisana sy niaraha-niasa tamin’izany no tena tompo-marika tamin’io (Ndrina, Tôty, Pana, Datita Rabeson, Elysé, Naivo…)

-     1986: Namoronako  ny hira voalohany: Ho an’iza ny masoandro, hira izay nandraisana anjara tamin’ny Fifaninana “Découvertes RFI” ary nahazoako ny loka “Prix des auditeurs”

-     1987: Volana Aprily, niakatra an-tsehatra irery voalohany  nitondra ny anarana Lalatiana, Madagasika sy ivelany……

……dia mbola mitohy izany hatramin’izao…

Tsy dia fanaoko ny manisa fa tsy misy dikany amiko izany amin’ny lafiny kanto

Firy ny isan ny hira ?  

 tsy voaisako…30, 60, 100?

Raki-kira navoaka ? 

2000: Ianao namako, 13 hira, Famahoana  Rija R/LLT

2006: Tsotra ihany, 11 hira, Famahoana  Jejy Mozika

Ny dingana eritreretinao hotratrarina amin ity taona ity , taona manaraka ? album ? 

Ny Famolavolàna ny hamoahana  ny kapila manaraka, no imasoako izao, fa tsy manana daty atolotra aho raha ny hivoahany marina. Toy izany ihany no efa nataoko tamin’ireo teo aloha…

Seho manaraka ? 

-      6 Jona, fampisehoana manokana any Bordeaux,

-      26 juin 2009 à Nogent : Fampisehoana ao anatin’ny fankalazàna ny fetin’ny fahaleovan-tena, sy fandraisana anjara amin’ny fiaraha-miasan’ny faritra Picardie sy Madagasikara,

-     4 jolay: fampisehoana manokana Départemanta 91,

-     12 jolay: fampisehoana manokana any Toulouse,

-     Novambra: fampisehoana any Poitiers…

Inona no mampiavaka ity hetsika ity ? 

Misy lanjany manokana amiko ny manolotra anjara-biriky amin’ny asa fampandrosoana indrindra fa ho an’I  Madagasikara. Raha ny talentako no antsoina ho amin’izany, dia vonona aho. Tsy vao izao izany no nataoko, fa efa hatry ny ela no niantsoana ahy hanantanteraka hetsika toa izany…

Inona ny zava baovao ho an'ny mpakafy anao ? 

Ny fiakàrako an-tsehatra dia zava-baovao foana, satria ny seho rehetra amiko dia samihafa daholo.. Ny zavatra mbola tsy mahazatra ny olona angamba dia ny mozika manaraka ny hirako amin’izao fotoana izao, izay somary nohamaivanina, fa izany no mampisongadina ny aingampanahy vokarin’ireo hira hiraiko. Ny hafanàn’ny hira anefa ao foana, ny hira koa tsy miova…

Raha ny hira hiraina indray dia mazava ho azy fa amin’ny fampisehoana toy izao no hampisehoana izay vaovao…

Misy teny tianao hapitaina amin'ny mpakafy anao ve ? 

Raha  mbola omen’ny Nahary tombon’andro aho, ary isaorako Azy izany, dia mbola hihira foana, ary hanandratra izay talenta nomena ahy mba hitondra hafaliana ho anareo mpankafy.. misaotra amin’ny fankasitrahanareo, fa hery lehibe ho ahy izany sady mamporisika ahy handroso foana…

Ireo tanora izay maniry hanaraka ny dianao ? 

Lalàn-davitra no nalehako teo amin’ny sehatry ny mozika, ary tsy voatery ho tsara foana ny zavatra niainako tamin’izany.  Nofikiriko foana anefa ny nofiko, dia ny hanao izay zavatra mahafinaritra ahy …ary tsy mbola niova tamin’izany aho hatramin’izao…  Tsy mahatsiaro ho efa tonga aho na koa ho feno tanteraka fa mbola miezaka mampivelatra izay efa hananako, ka izay rehetra hitako sy henoko dia ampiasaiko avokoa hizorako ho amin’izany….  Maniry aho mba hanana nofy daholo ny rehetra …

tsy lesona omena fa pi-maso kely monja…

Comments:

1. toky A.

lalatina!

mety ho rahoviana enao no handalo eto Dago? miandry fatratra anao ny mpankafy.

tsipy teny kely fotsiny oe: somary niova loko kely enao tao anatin'ilay rakikira Tsotra ihany, raha mihoatra ny teo aloha, nefa tsara fôna!!!!!!

mankalaza!!!!!!

2. Rija RAMANANTSOA

Salut Lalatiana !

Anisan'ny tena mpankafy ny hiranao aho ary maniry fatratra ny mbola handalovanao eto Antananarivo satria na dia lavitra aza ianao dia mitoetra hatrany ao am-pòn'ny Malagasy ny hiranao izay TENA TSY METY LEFY LAZA.
Izaho izay miteny dia mpitendry mbola faran'izay madinika nefa mba miezaka hatrany mba ho tonga avo eo amin'ny sehatry ny mozika indrindra hanandratra ny maha-Malagasy .
Misaotra be dia be anao satria anisany nanampy ahy t@ fitendrena mozika ny fomba nandrindrana ny mozikanao. Tena mahasarika be tokoa.
Mahereza.

3. ZOHASIMBOLA Rojo

Manao ahoana Lalatiana!

Anisany nitaiza be ahy tamin'ny sehatry ny mozika ianao (ny hiranao),mbola kely aho d efa hiran'i Lalatiana foana no reko ao an-trano.Mihira za amzao,miezak mamoaka ny kanto sy fitiavana indrindra2 ato anatiko.D te-hisaotra anao noho ny amin'ny mozika,d met mbol ho lavitr ezaka izahay fa miezka foana ny hanara-dia anareo zoky ara-mozika!
Misaotra indrindra!
Rovina no mb manao seho aty Madagasikara?

4. ZOHASIMBOLA Rojo

5. ZOHASIMBOLA Rojo

6. ZOHASIMBOLA Rojo

7. ZOHASIMBOLA Rojo

8. Olivia

Salut Lalatiana,

Faly be za nahita ny momba anao tato @serasera.Tena mankafy ny sanganasanao za satria tena tia jazz ndrindra le somary accoustik. Rôvina no himpody hanao spectacle eto Dago ianao é. Mba asio 2 spectacles moa alohan'ny faran'ity taona ity é!

Mampahery anao hatrany de tahian'Andriamanitra ianao

NB: za koa mantsy tsy afeniko fa tena tia mihira jazz dia anisan'ny interpreter-ko fôna ny hiranao refa misy fetifety na fiarahana miaraka @ namana.

9. Olivia

10. CHOUCHOUE

11. CHOUCHOUE

HIHI

12. Rakotondranaio rina

D aôna r Lalatina?
Zay ranga malaelo anao mints D n hiranao sisa no mampionona e!ataoaôn ar!rovin vô azo vdina le album farany?

13. [Rakotondranaio rina]

[D aôna r Lalatina?
Zay ranga malaelo anao mints D n hiranao sisa no mampionona e!ataoaôn ar!rovin vô azo vdina le album farany?]

14. Onitsalama

raha mbola mpihira aloha, tsy misy atakaloko an'i Lalatiana. I Bodo tsy ratsy en terme na feo, fa nen'azy hatramin'ny tononkira mbola hafa indrindra. Mba maniry zahay aty Antsirabe raha mba manao cabaret aty enao amin'ity taona ity. Miaraka amin'i rija ramanantoanina sy Johary no tena idéal. Tonga dia mipoaka tsara. Dia mankasitraka fônafôna eh!

Add a comment

[*] Required