Hantatiana
Hantatiana Ramamonjy,teraka ny 31 oktobra
1982,dia mpihira hafa noho ny fahita satria dia vao fito taona monja dia efa
niakatra an-tsehatra, 9 taona
no namoaka rakikira voalohany. “La pluie,Fiderana,Faly aho.”
Tsikaritra tamin’ny seho niarahana tamin’i Bodo,Poopy,Fara Andriamamonjy,Ndriana Ramamonjy sy ireo mpihira maro hafa fantan-daza tamin’ny vanimpotoana. Efa roapolo taona lasa izay.
Namoaka rakikira 4,teo ambanin’ny fiahian’i,Ndriana Ramamonjy,dadanaivoko, izay mpandrindra sy mpanoratra ny hirako rehetra.
Anisan’ny mpanankanto nahalafo rakikira maro indrindra teo amin’ny sehatry ny zava-kanto malagasy.
Nanao fampisehoana maro tokoa satria dia isaky asabotsy sy alahady dia feno foana ny fandaharam-potoana nandritry ny 11 taona.Manao fitsidiham-paritany maro,eran’ny nosy,ary koa hatrany am-pita aza.(France,Suisse,Etats-Unis,Afrique)
Nahazo ny « prix revelation gasitsara 1994 »
Voafidy ho « vehivavy mendrika ny taona 1996 »
Lany feo mangan’ny Madagasikara,ary nandritra ny fisehoana tany Etats-Unis ny taona 1997 dia niseho gazety ny vaovao.Naharitra taona maro no reha sy hita matetika tao amin’ny radio sy fahita lavitra ny hiran’i Hantatiana. Tafiditra ny sehatry ny « Top Hit Parade. »
Efa ho
sivy taona no mipetraka aty
Suisse,nianatra no nandaozana an’i Madagasikara.Rehefa tapitra izany dia
nanambady an’i Njaka(Ingénieur) ary niteraka zaza roa,Tahiana sy Kanto.
Estheticienne no asako ary mpihira rahateo,no sady vady no reny.
Manao seho hira “classique”aty Suisse ary ny hira fiderana sy fitoriana matetika any ivelan’ny Suisse.
Nahazo fangatahina fampisehoana maro ary efa nandritra ny nipetrahana taty Suisse izany saingy efa manambady aman-janaka ankehitriny ary ny fianakaviana no mandeha alohan’ny zava-drehetra,mbola kely ny ankizy dia nahena ny seho.Sady miasa rahateo koa ny « weekend ».
Ny fampisehoana kasaina atao atsy ho atsy raha sitrapon’Andraiamanitra ,
Ny 27 juin amin’ny 19h30 ao Toulouse izay atao ao amin’ny :Vieux temple,70 rue Pargaminières, 31000 Toulouse
Ny manaraka dia ny 26 septembre ao Poitiers
Ary ny 1er novembre mbola Toulouse ihany.
Mbola holazaina miandalana eo ny
an-tsipirihan’ny fampisehoana manaraka voalaza etsy ambony.
Misy “CD best of” izay ahitana ireo hira taloha nahafantarana an’i Hantatiana ary “VCD.”
Misy “Single” ahitana hira roa vaovao koa,”Lokon’ny lanitra” sy “Vers toi mon Dieu” izay afaka azo mandritra ny fampisehoana raha ny tokony ho izy.
Hisy koa ny rakikira vaovao amin’ny heritaona izay ahitana ireo hira roa ireo.
“Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany,fitaovana fotsiny aho fa Izy no miasa!”
“Misaotra
anareo namaky ary misaotra an’ireo mankafy ny hirako.Efa tsy handry ny
hifankahitana aminareo.”
Comments:
1. danny
mpivavaka tao@ vinany tempoly malala itaosy
2. danny
mpivavaka tao@ vinany tempoly malala itaosy
3. lanto
woaiy! faly be aho mahita an'i Hanta eto. marina eh. tena mpanaraka ny Hanta mintsy zahay t@ mbola kely. misy fotoana ny tena dia manontany tena oe nankaiza? hay nanambady....efa reko io fa hono hono foana de maasosotra ahy.zao kay vô tena itako fa lasa alavitra enao.
raovina no hanao seho eto Mada? matetika tokoa alo de mande ny "la pluie"@ TVM. de maatsiaro ny fahiny toko an! 25taona ny tena ankehitriny,de mbola mitady ny hiranao foana. misaotra saady @ hira vao2 Hanta. aza adino ny Dago an! ny ankizy @ zao tô tsy mahalala anao 'tsony,tsy toy ny taloha.
bye,Hanta,bye @ ankohonana eeh
4. Mpikarakara ny fampisehoana Toulouse 27 jiona
Miarahaba ny rehetra,
Niova vao omaly ny adiresy hanaovana ny rindran-kira hiarahana amin'i Hantatiana ny 27 Jiona.
Ao amin'ny:
Temple du Salin
1,place du Salin
31000 Toulouse amin'ny 7 ora sy sasan^y alina.
Tongava maro e!
5. ANDOLALAINA
Mahafinaritra be le hiran'i hantatiana fa maninona raha tohizana hatramin'ny farany.
mangataka an'ilay hira hoe"namako ianao"
6. haja
tena faly zah raha mbola maheno hoe mbola feno fiderana an Atra ny fiainanao
ary mankahery anao amin ny fikarakana toka trano indrindra amin ny asa fanompoana ny hirariako de ny mba hanaovana seho iray aty M/car ary koa mitondra am bavaka anareo efa mianaka
HAJA Mivavaka ao amin ny METM BETLEHEMA FANANTENANA ANKAZOMANGA
7. haja
tena faly zah raha mbola maheno hoe mbola feno fiderana an Atra ny fiainanao
ary mankahery anao amin ny fikarakana toka trano indrindra amin ny asa fanompoana ny hirariako de ny mba hanaovana seho iray aty M/car ary koa mitondra am bavaka anareo efa mianaka
HAJA Mivavaka ao amin ny METM BETLEHEMA FANANTENANA ANKAZOMANGA
8. mirana tsylavina
Faly miarahaba an'i Hantatiana sy ny ankohonany!
Tsy haiko ny tsy hanoratra ho anao ry Hantatiana satria dia ianao no anisan'ny nanabe ahy.
Raha vao mifoha maraina na hatramin'izao aza dia eo am-bava ny hoe:"tena tiako indrindra ny mifoha maraina mihaina rivo_baovao..."Tsy maha menatra ahy ny mihirahira ireo hiranao tamin'ny mbola kely na dia efa 23 taona aza aho.Ary na ny vadiko aza mampiara-peo amiko mihitsy indraindray.
Ilay hiranao "namako ianao" iny aza moa dia nataonay mpinama tany ampianarana ho hira faneva.
Manorata i Hantatiana amin'ny adiresiko io a,
Faniriako ny hifandray aminao.
VELOMA, bise be
9. Tahina
Miarahaba an'i Hantatiana sy ny ankohonany,
Faly be a nahita ny sarinao indray,
Vao haingana mihitsy a no nieritreritra anao ary tsy afaka am bavako ny hiranao rehetra,
24taona a zao ary tena tiako hatram zao ny hiranao satria samy zaza isika tam fotoana nanombohanao nihira
Mahereza ao amin'ny Tompo hatrany akia...
10. Tahina
Miarahaba an'i Hantatiana sy ny ankohonany,
Faly be a nahita ny sarinao indray,
Vao haingana mihitsy a no nieritreritra anao ary tsy afaka am bavako ny hiranao rehetra,
24taona a zao ary tena tiako hatram zao ny hiranao satria samy zaza isika tam fotoana nanombohanao nihira
Mahereza ao amin'ny Tompo hatrany akia...
11. Nokasaina
Misy fotoana ary izahay mifandrombaka micro fa ihiran'i Hantatiana!
Matsiaro ny fahiny eee!
12. Nokasaina
Misy fotoana ary izahay mifandrombaka micro fa ihiran'i Hantatiana!
Matsiaro ny fahiny eee!
13. Tiana
Faly be aho mahita ny sarin'i Hantatiana @ zao fotoanaizao ary manaraka ny momba azy .anisan'ireo mpakafia azy aho ry mitady indrindra ny tohin'ny zavakantony . Maniry koa ny hifandray aminy raha mety ka tiany .
ampitiavana
Tiana