ZADOO

Nampiditra Kouala
04/06/2004 02:28
Hiran'i ZADOO 9 Jereo eto
Vangy : 2574
Mpankafy : 0 Ankafizo
I Zadoo dia mpanakanto malagasy izay efa anisan'ny azo lazaina hoe sangany eo amin'ny lafin'ny zavan-kanto : hira, dihy... Tao amin'ny seho an-tsehatra "Chaud-Show Dance" tamin'ny taona 1993 no nahafantarana azy voalohany. Novoiziny izany traikefa nananany izany tao amn'ny "Abakabakafa" tamin'ny taona 1997. Tao amin'ny tarika BODO (mpihira mpanampy) tamin'ny taona 1995-1997 no anisan'ny nanavozany ny fahaizany mihira. Notohiziny izany fikarohana izany teo anivon'ny tarika AVM, izay fantatra tamin'ny fahaizana mandrindra feo tsy misy mozika na vocalise izany. Tsy latsa-danja aminy ihany koa anefa ny dihy satria dia efa za-draharaha tokoa ny tovovavy amin'io sehatra io, Porofon'izany ny "Tô kilalao" sy ny "Piaf Aznavour" tamin'ny taona 2001. Anisan'ny efa niarahany miasa ohatra i Mialy, Ariry sy ny sisa maro tsy voatanisa ka sangany eo amin'ny sehatry ny dihy. I Zadoo dia niofana manokana amin'ny ara-java-kanto toa ny fitaizana feo sy vatana. Manome fiofanana ihany koa i Zadoo ho an'ireo zay liana amin'ny fitaizana vatana (aérobic, danse...)

Hevitra momba an'i ZADOO

Kouala (27/04/2004 07:24)

Hiran'i ZADOO (9)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108