TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA
Ny Tanora Fanantenana dia antoko mpihira mijoro ao amin'ny FJKM Atsimon'Imahamasina; niorina tamin’ny 01 may 1981, ary zanaky ny Sampana Vokovoko Manga.
>1981-1991:
Nankalaza ny faha -10 taonany izy ny taona 1991.Isan’ny nampiavaka azy tamin’izany ny nahazoany ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanan-kira izay nokarakarain’ny Fikambanana Mpampiely Bailboly Malagasy, tamin’ilay hira mitondra ny loha-teny hoe: "LOZAKO RAHA TSY MITORY"(album 1 sy 2), hira noforonon'i Vonjy.
Voafidy ihany koa izy hihira ny Hira Fanevan’ny 3ème Jeux des Iles de l’Océan Indien.
>1992-2001:
Ny taona 1993 no nahazoany ny laharana faharoa tamin'ny fifaninanan-kira izay nokarakarain'ny FMBM ihany, tamin'ilay hira hoe :"AOKA JEHOVAH HIFALY AMIN'NY ASANY"(album 2).
Ny taona 1998 no nahazoany ny laharana voalohany tamin'ny fifaninanan-kira nokarakarain'ny HEFA (Hetsika Ekiominika sy Fanatanjahantena) tamin'ilay hira hoe : "FA TSARA NY MIHIRA"(album 2).
Ny taona 2001 no nankalazany indray ny faha -20 taona niorenany.Nisy ny herinandro fiderana sy konferansa nentina niadiana tamin’ny zava-mahadomelina tamin'ny alalan'ny "planina 5 andro", ary isaorana an'Andriamanitra fa am-polony no tafàla tanteraka tamin'ny sigara tamin'izany .
>2002-2010:
Ny taona 2003 no Tafatsangana ny Fikambanana GAS’GOSPEL.
Ny taona 2006 kosa no nankalazany ny Jobily faha-25 taona. Rindra-kira lehibe tao @ lapan'ny kolontsaina sy herinandro fiderana ary konferansa lehibe natao tamin’izany.
>Ny asa tanterahany:
Mitaiza sy manabe ny olona tsirairay na kely na lehibe mba tsy hanendry zava-mahadomelina ho an’izay mbola tsy ao anatiny, ary mba handresy lahatra ireo izay efa ao anatiny mba hiala amin’izany; Mitory ny filazantsara; Mamoaka raki-kira ara-pilazantsara; Manao konferansa manodidina ny loha-hevitra hiadiana amin’ny zava-mahadomelina.