Tanisa

Hampiditra sary Nampiditra ralayzik
22/10/2018 09:43
Hiran'i Tanisa 0 Jereo eto
Vangy : 371
Mpankafy : 0 Ankafizo
Tanisa Tanisa

raha vao mirava ny sekoly
dia mifampitaona ny hiala voly
ireto ankizy misodisody
mameno arabe toa samy tsy te hody

Ireo feo mifangaro, toa kalomboron kely
Toa mampandrevirevy samirery
Manembona indray ireo androm pahazazana
Ireo lalao fahiny mahatamana

Ref: Tanisatanisan ny ankizy ao andrefan trano ao
..............................................................
Ilay takariva diavolana mibaliaka
.......................................................

Ny andro anefa efa ho hariva
Ny ora fodian ity efa madiva
tsy afaka loatra, tsy afa- mitrÙtra
fa na dia maika aza tsy afa manoatra


ireo hira fandre injao efa manako
Efa miala any ny aponga sy ny lamako
finaritra ery ireto ankizy mandihy
lalao tsy mampody, satry foana haka fy

A&C Tovo Jhay

Hevitra momba an'i Tanisa

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i Tanisa (0)

Mbola tsy nisy nampiditra hira

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105