You are here: home > Tononkira > Mpihira rehetra

SAKELIDALANA

2245

Nampiditra : jose076789
Tamin'ny : 30/10/2017 06:13:47

Mombamomba :
Any ianao zoky malala tsy hadino
Kilasimandry manirery any ho any
Tsy laitran embona nandalo
Zandrinao ka indro ; manina ka manoratra

Tsy dia misy vaovao ; malahelo anao ny aty
Ilay sakakelin-tsika vao nifoy nisy dia maty
Fa ny tena hasambaranay mbamin-dry Neny
Dia ny mahazo taratasy avy any aminao
Milaza fa salama tsara tsy manahy
Ary ny fianarana mandroso
Efa mila tsy ho andriko ny fotoam-pialan-tsasatra
Hilalaovan-tsika roalahy eo an-tokontany be
Ho faranako ny taratasiko kanefa
Miala-tsiny tsy nahasoratra betsaka Razoky
Maika hiana-desona aho ka aza tsiny indrindra
Mandram-pihaona ; mahereza re

Lisitry ny hira

Hampiditra hira

Hevitra mandeha

jose076789 (30/10/2017 06:26:19)

ialako tsiny raha misy ny fahadisoan ny tononkira

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha