Rija Ramanantoanina
Olona miara-miasa amiko izy, ary afaka milaza aminao aho fa tsotra dia tsotra izy, tsy hiavona aminao mintsy izy raha hiantso azy ianao. Eo ambany io ny numéro-ny
Lisitry ny hira
Hampiditra hira- Aleo
- ANIO
- Avelao any
- Avy aminao
- Aza havelanao ho maina
- Efa
- Fa iza...
- Fafao ny ranomaso
- Fiainana kely
- Fitiavan-dray
Hevitra mandeha
RF (19/09/2009 07:22:09)
Raha misy mpihira henoiko isan'andro (presque isan'andro mantsy é), na @ fotoana mahamety, na aiza na aiza aho, dia i Rija. Teny @ La Résidence t@ Lundi de Pentecöte no mba nahafahako nankafy mivantana spectacle an'i Rija, sady @ zay teo anoloan'ny scène no nisy anay. Tena mpankafy an'i Rija mihitsy mantsy izaho sy ireo zanako. Ny andrasako dia mba hisy sakafo ohatran'ireny @ atoandro mba ahafahako mihaino azy mivantana. Dia misaotra azy, sy ny radiovazogasy fa eto no tena fankafizako an'izany hira izany. Tohizo daholo fa tsara é
cire (02/09/2009 11:16:05)
Slt daholo e! ie za ko torak'izany , tena angamba diso tafahoatra be loatra angaba raha eo @ fankafizana ny vazon' razoky lah io nitondra fampianarana ho ahy ny zavatra nataony sy izay mbola ho avy . Iriko aza ny mba hiaona @ saigy hita mantsy ny fahasarotan'ny fianana sady ny fotoana koa volamena rahateo e! .De mirary soa ho an' zoky lah e! tohizo ny mozika fa ao no tena ahitana ny tsiron'ny fianana na MAMY na MANGIDY no sady ny jazz koa ange be mpankafy e! zay ry reto fa mazotoa daholo a!
tsambo (29/10/2008 20:29:00)
tena tiako mihintsy ny hiranao rehetra ry Rija .Indrindra fa ilay hoe (Aleo). Satria mitantara ny zavatra efa niainako dia ilay hoe mbola samy tia nefa efa miaraka amin'olonkafa. Mba mangataka adresse mail ny RIJA Ramanatoanina raha mba mahazo.
arialy (19/12/2007 12:51:12)
izà koa de mpakafy rija!! tena lasalasamborona mintsy am tantara isankarazany misy fanantenana vaovao ataony !! Tohizo foana rija R a
Gildas (21/02/2006 12:57:57)
Eny tokoa ry zareo namana isany. Mahafinaritra tokotrany ny kanto malagasy. Amiko izany dia ry Rija, Solo, ... no atao hoe intermediairen'ny kalon'ny fahiny sy ny tontolon'ny mozika ankehitriny, ny antony dia satria raha mandinika isika dia ny kalon'ny fahiny dia tsara petraka tokoa ny tonony sy ny feony fa teo @ lafiny ara-pitaovana sy ny teknaolaojia no tsy naharakan firy. Ankehitriny kosa dia natambatr'i Rija sy ny iray lalana taminy izany teknaolaojia vaovao sy ny fahaizana mametraka ny akanton'ny teny malagasy eo anivon'ny mozika maoderina izany. dia niforona teo ary ny kanto izay ankafizintsika. Isaorana betsaka tokoa izy ny amin'izany ro-ndoha lany izany. Mankafy azy ny tenako, ary azo lazaina ho somary mihoatra ihany ary izany fankafizako azy izany noho ilay kanto avoakany. Marihiko etoana fa tsy miavona izy, fa fotsiny maro ny olona mifanerasera aminy, dia amin'ny maha olombelo azy dia mety hisy fotoana tsy ahatadidy izy, fa kosa anjaranao ny mampatsiahy raha ilainao izany, raha tsy izany kosa dia tsy afaka mitsara azy ianao raha toa ka ny tahotrao no tsy hifaneraseranareo.
Tadidiko izy niteny tamiko hoe, raha tsy nisy i Bessa sy Henri Ratsimbazafy dia tsy ho tafita ny kanto tiako ampitaina. Satria hono izy ireo no karazana mpampita ilay gadon'ny fahiny handray ny gadon'ny fivoarana ankehitriny. miaiky izany tokoa ny tenako, fa sady mitana ny hevitro etsy ambony. Manantena fankasitrahana avy amintsika ny mpanankato rehetra.
Dimby Raherinirainy
bozzy (06/01/2006 09:29:15)
tena anisan'ny mpihira lehilahy malagasy manana ny mahaizy azy i rija ramanantoanina; ny hirany rehetra toa misy fotokevitra lalina maminany ny fiananao ary toy ny hainy mihitsy ny miangaly hira na mampazoto @ fiainana na mananatra; ny fiainanko manokana aloha dia toa voalazan'i rija @ antsipiriany ao @ hirany rehera hany ka raha vao miaino ny hirany dia manjavona tanteraka ny sorisory rehetra
bon courage rija; mirosoa hatrany @ ao indrindra eo @ sehatry ny hira fa manoana foana aho
SIPAKELY (24/11/2005 11:31:15)
Tena ankafiziko tokoa raha i RIJA R.Maniry mafy aho ny mba hisian'ny spéctacle ataony tsy miaraka aman'olona. Izany hoe tsy miaraka amin'ny mpihira hafa. Kanefa kosa tsy mampaninona ahy raha i SOLO HASAMBARANA no Miara mihira aminy izay mpanakanto ankafiziko tahaka an'i RIJA R. ihany koa.Tena sahiko ny milaza fa manana ny maha-izy azy tanteraka raha i RIJA R.Misy heviny ary tena mijoro tsara ny tonon-kirany.Mirary soa be dia be ho an'i RIJA R. aho ary maniry ny hisondrotany avo hatrany.Mba ho reharehan'ny vazo malagasy tokoa anie fa tsy ho toy ireo mirediredy foana. Un gros bisous pour RIJA R.
tigrekely (22/11/2005 21:09:54)
Rija ,tsisy kozy bobaka fa mba mahafinaritra ahy ny fihirany , mahavoa kosa aloha lery!! ireny no mpihira fa tsy irony mpihira rap e!! sns ireny !! sa aona hoy ny sasany , hevitro io fa tsy votery hoe mitovy @ io daholo an !!!
harindrano (28/09/2004 15:41:51)
Ho an'i Li : fa maninona kay ianao raha miantso azy avy hatrany, na mandefa sms (izy aloha tsy dia mamaly rehefa handefasana sms e !) ?
Olona miara-miasa amiko izy, ary afaka milaza aminao aho fa tsotra dia tsotra izy, tsy hiavona aminao mintsy izy raha hiantso azy ianao. Eo ambany io ny numéro-ny
LI (25/08/2004 12:24:30)
I Rija RAMANANTOANINA no mpihira lahy tiako indrindra. Mahafinaritra ahy ny feon' I Rija R.miaraka amin'ny tononkirany. Hitako fa olona tsotra i Rija sady tia olona. Matetika izahay no mifanena eny andalana saingy tsy mbola nety tafaresaka taminy aho. Tamin'ny St Valentin tany @eldorado aho saingy haka sary niaraka taminy fa toa natahotra sy menatra nefa tena faniriko ny manana sary miaraka aminy. Faniriko koa ny mba hihirany rehefa atao mariage aho.
Mirary soa ho an'i Rija ramanantoanina ny tenako.

