Ny beka - Maika aho hahitanao

Nampiditra hertman rakotoniaina
30/10/2017 13:35
Hiran'i Ny beka - Maika aho hahitanao 0 Jereo eto
Vangy : 1657
Mpankafy : 1 Ankafizo
Ireo sary niarahana náka
Tombovoka taolo
Mihidy anaty vata
Ireo boky niaraha-namaky
Adino avokoa,tsisy tavela ao anaty
Ireo toerana f'aleha teo aloha
Navelatsika ho bobongolo avokoa
Ireo hira fanaontsika hatrizay
Dia tohy ny Adino ny feo lasa tsy ahy

REF:Efa manakaiky ny fotoana,
Dia ho averin-indray ny taloha
Saika kivy ao anefa nino foana
Fa mbola ihaona indray isika roa
Na dia lavitra aza mbola tia
Tsy niala tao an-tsaiko tao
Ilay fanahinao tsara ery
Maika aho hahitanao

Ireo sary niarahana náka
Averina alaina tehirizina tsara
Ireo boky niarahana namaky
Ho vakiana indray
Mba hitoetra ao anaty
Ireo toerana naleha teo aloha
Tadiavin'indray
Ho vangiana avokoa
Ireo hira fanaon-tsika hatrizay
Haverin'indray (×2)

REF:

Hevitra momba an'i Ny beka - Maika aho hahitanao

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i Ny beka - Maika aho hahitanao (0)

Mbola tsy nisy nampiditra hira

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113