Ny Antsa Mass Choir

Nampiditra minohasina2016
24/08/2016 10:42
Hiran'i Ny Antsa Mass Choir 5 Jereo eto
Vangy : 1229
Mpankafy : 0 Ankafizo
Tarika niforona ny taona 2015.... Mivoy ny gadon-kira "Gospel" ary niezaka nitondra izany tamin'ny endrika vaovao.. Miisa telopolo eo ho eo ny isan'ny mpikambana ao amin'ny tarika NY ANTSA MASS CHOIR.. Ankoatra ny kaonseritra mahazatra dia anisan'ny manavanana ny tarika koa ny fanafanana lanonana isan-karazany (ara-pilazantsara). Ny taona 2016 dia voasokajy ho hiran'ny taona 2016 sokajy fiderana ny hira hoe Andriamanitra tokako niarahana tamin'ny NY AVO.. Ity taona 2017 ity kosa no hamoahana ilay hira "Ny fiainako ho Anao", iarahana amin'ilay kintan'ny mozika Christian K...
Samia hotahian'i Jesosy

Hevitra momba an'i Ny Antsa Mass Choir

minohasina2016 (20/04/2017 10:00)
Ny tarika NY ANTSA MASS CHOIR dia tarika ara-pilazantsara miara-miasa amin'ny fiangonana, sekoly, fikambanana sns.
Hira anisan'ny nahafantarana ny tarika ny taona 2016 ny "Andriamanitra tokako" ka nahatonga ny tarika ho voasokajy tao amin'ny RDJ Mozika 2016 tamin'izany.. Mbola mitohy ary hitohy mandrakariva ny fiderana...
Contact: 034 31 725 56
Fb: Ny Antsa Mass Choir

Hiran'i Ny Antsa Mass Choir (5)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.308