North and Center

Nampiditra Valerianne
08/04/2005 03:51
Hiran'i North and Center 3 Jereo eto
Vangy : 9084
Mpankafy : 1 Ankafizo
North and Center dia mankalaza ny fahafolo taona niforonany amin'ity taona 2005 ity. Namoaka rakikira izy ireo ho tsangam-bato. Nanao fampisehoana izy ireo ho fampafantarana io rakikira io tamin'ny 02 avril teo. Dia mankafiza azy ireo fa ry zareo dia ho an'ny olona rehetra ny rap hiangaliny fa tsy ho an'ny mpiangaly rap fotsiny.

Hevitra momba an'i North and Center

BEN (05/07/2004 11:06)
Ny North and Center dia efa nisy nanomboka t@ taona 1995, midika izany fa tena manana ny maha izy azy tokoa ry zareo.
Misy efatra mianadahy ry zareo no mpikambana ao dia tsy iza izany fa: Ralava, Mec ji, Randy ary Merphy.
Ny dikany hoe North and Center moa dia arakizay anaran'ny zay hoe: North: avy any Avaratra dia tsy iza izany fa i Merphy, ny Center kosa dia hoe avy eto ampovoan-tany dia tsy iza izany fa i Randy, Mec Ji ary Ralava.
Maro ireo hira nahafantarana any North and Center, kanefa maro @ isika no mihevitra fa hira milamindamina avokoa ny hirany, misy isankarazany ny hirany North and Center izay tsy miresaka momba ny fitiavana fa ny fiaraha monina tsotra izao, anisan'ny zany ohatra ilay hira hoe "Frime" izay hitantsika ao @ album avoaka ato ato, "Revy sa Ditra" anisany hira tena nahafantarana azy koa izany, io hira io dia ilay Bande originale ilay serie tao @ RTA fahiny. Ny anaran'ny clan ny North and Center moa dia ny 8 mene maso

Hiran'i North and Center (3)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3671